Edito

Voky resaka


  • Alakamisy 31 Desambra 2020

Mamarana tanteraka ny taona 2020 isika, ora sisa no hisaina dia hivalona

 

tanteraka izy ity ary miomana fatratra hitsena an-kafaliana ny taona 2021 ny tsirairay. Arahabaina isika tratry ny fiafaran’ny taona, nahavita niatrika izany, izay tena tsy takona hafenina fa isan’ny nangidy indrindra tamin’ny fiainan-dRamalagasy. Raha fomba firesaky ny mpitondra ny fampanantenana sy fanaovana zavatra tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona amin’ny lafin-javatra miabo, dia azo lazaina ihany koa ho an’ny lafiny miiba fa ity no isan’ny taona nitondrana fangirifiriana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nahafahana naka lesona maro samihafa ity taona ity, niainana sedra mafy dia mafy: fahaverezana asa, fahasahiranana, fidanganan’ny vidim-piainana,… Voky fampantenana sy fiovam-penitra mahery vaika ny Malagasy, fa noana vahaolana mipaka any aminy. Rendrarendra sy sehoseho no betsaka! Isan’ny novoizina ny hoe: hiainga avy eto Madagasikara ny famonjena an’izao tontolo izao. Indrisy fa nihazakazaka any amin’ny ambony isika, miha mahantra fadiranovana, saingy tena manga ny lany ary mety ny atao ho an’ny mpitondra. Namboamboarina hatramin’ny karazana horonan-tsary miendrika faminaniana momba izany. Nolalaovina ny saim-bahoaka, notezaina hanaiky sy hilefitra amin’ny lainga sy ny abobo,… Eny toa terena hino fa ho avy ny fanovana goavana, toa milaza fa hanao fahagagana ny mpitantana. Akoho tsy naneho ohatr’izay efa lanin’ny kary, hoy ny fomba fiteny, ka asa re raha ho avy ny fahagagana fa raha izay hita sy fomba fiasa roa taona izay aloha dia lavitry ny kitay ny afo. Ny hamisavisana ny ratsy tokoa angamba hiavian’ny soa. Ny teny hatsipy ho an’ny isam-batan’olona dia ny hoe: mila miomana, mila misikim-ponitra miainga amin’ny herin’ny tena, mila mifanavotra ny ao anatin’ny fiarahamonina,… fa raha izay fahagagana hoentin’ny mpitondra dia aleo handeha ho hita, fa toa efa mahazatra ny balarora. Mirary fety sambatra ho an’ny isam-batan’olona, ary maniry taona vaovao hombam-pifaliana sy fiovana ho an’ny tsirairay e.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT