Edito

Voky fampanantenana !


  • Alarobia 11 Septambra 2019

Niteraka fitoniana ara-politika tao anatin’ny fotoana fohy ny fandalovan’ny Papa Fransoa teto.

Heni-kaja heni-boninahitra ny firenentsika ary nioty aim-panahy sy nahazo hafatra mafonja avy tamin’iny raiamandreny am-panahy sady filoham-panjakana iny. Ahoana kosa ny ho fizotry ny toe-draharaha manomboka eto ? Ho tafita ve ny fananarana mivantana na an-kolaka sa ho toy ny rano natobaka an-damosin-gisa ? Ny toe-draharaha politika ato ho ato no hamaritra azy, fa raha ny zava-misy dia toa manomboka miverina amin’ny fiainana sy tsio-drivotra mahazatra isika. Betsaka izay toky nomena izay, maro ny fampanantenana, ny velirano tsy mbola mety mitondraka amin’ny valalabemandry ka hivahan’ny olana tsy tambo isaina miantraika amin’ny rehetra. Ny vidim-piainana midangana, ny sandam-bola miha mitotongana, ny fahasahiranana mitombo fa ny vahaolana mbola angatahana amin’ny avo mba tena hahay sy hahatsapa ny fahorian’ny Malagasy ny mpitondra ka hamoaka vahaolana mafonja sy maharitra. Hiroso amin’ny fifidianana indray mantsy isika, ka ho takotakon’ny hafanana politika ny fahoriam-bahoaka. Efa hananika ny herintaona nitondrana tsy ho ela saingy tsy mbola misy fototra bilidinina hita aloha, tsy mbola nisy trano iray nitsangana amin’ireo dimy alina hatao, mbola nisy tanimbary nozaraina,… ka sao atomboka aloha ireo noresahina vao milaza zavatra hafa indray. Hirarakopana indray mantsy ny fampantenana amin’ny propagandy ary handeha ny politikan’ny ratsy tarehy mangata-bady ka ny anaran-dray no enti-mangataka, kanefa ilay ray atsy ambadika atsy toa kepoka tsy mahita izay horaisina, ka hivadika ho fampiesonana hatrany izay ambara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT