Edito

Vokisana serasera


  • Alarobia 03 Mey 2023

Miroso mankaiza marina ity raharaham-pirenena eto amintsika ity? Inona no hitranga atsy ho atsy? Irariana mba ny hamisavisana ny ratsy no hiavian’ny soa,

fa raha izao zava-mitranga ara-politika izao anie, ka toa miroso makany amin’ny hotakotaka e! Mbola miharihary ny fitiavan-tena tafahoatra, ny tsy fanekena ny fahadisoana, ny fizahozahoana ao anatin’ny efa tsy fahaiza-mitantana miharihary, ny fambolena serasera milaza sarintsarim-pahombiazana,… Iraha-mahalala, tsy takona hafenina intsony, efa miantraika any anaty vilanin’ny isam-batan’olona ny tsy fahantrana vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, kanefa dia ezahina lalaovina indray fa hatramin’ny any ivelany no miaiky fa tena tompondaka amin’ny fampandrosoana hono ny mpitondra antsika. Dia tena sahiny mihitsy no milaza fa rehefa tsy handroso miaraka aminy I Madagasikara tsy handroso intsony. Raha firenena hita taratra sy fanta-daza amin’ny fandrosoany raha aty Afrika ve hihoatra an-dry Rwanda, Maorisy,… saingy ny mahagaga toa tsy mba mahazo anaram-boninahitra tompondaka mihitsy izy ireny. Ny antsika anefa toa tompondaka lava, ary vokisana serasera ny vahoaka, saingy fihemorana no tena iainany. Tena azo tarafina amin’ny fandrosoan’ny firenena sy ny vahoaka ao anatiny ve ireny amboara sy anaram-boninahitra zarazaraina aminy ireny sa sanatria fanesoana manara-penitra mba hampiezaka fa isika no tsy tonga saina? Ny serasera ezahina voizina mafy aloha izao dia ny hoe: tena niasa, tena nanao, tena nampandroso,… ka tokony hotohizana ny ezaka vita sy ny efa natomboka. Ezahina mafy ny hitazona an’io seza io, sanatria toa efa mizotra makany amin’ny fanaovana ny tsy fanao. Indray toa mahatonga ny saina aman’eritreritra hamoaka hoe: sao heverin’ireto andian’olona na vondron’olona ireto fa azy samirery aza I Madagasikara ka hanaovany izay danin’ny kibony? Hanjakazakany araka izay saim-patany? Tereny hanaiky ny rehetra fa izao no mety sy mila ekena? Tsy vitan’ny bontolo sy tery vay manta ny fitantanana firenena, ka aleo haverina foana ilay oha-pitenenan’ny Ntaolo fahiny hoe: raha mitohy anie ny hazo ka lanin’ny voalavo ny lanitra e!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT