Edito

Vokatry sahady ny fiverenan’ny AGOA Handray mpiasa 5.000 ny Cotona


  • Sabotsy 05 Jolay 2014

Miverina ny AGOA, izay izao no malaza ! Vokatr’io, hanokatra orinasa vaovao ny Cotona Antsirabe. Fantatra izany nandritra ny fitsidihan’ny minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Jules Etienne ity orinasa ao amin’ny vondrona Socota ity ny alakamisy teo. Raha ny orinasa Cotonline ihany mantsy no manodina ny vokatra lamba vokarin’ny Cotona dia nanapa-kevitra ny hanitatra izany izy ireo amin’ny fanokafana orinasa iray hafa vaovao noho ny fiverenan’ny AGOA ka kendrena hampiasa olona manodidina ny 5.000 eo izany. Nangatahan’izy ireo tamin’ny minisitra moa ny fanamorana ny tontolo ho fivelaran’ny orinasa eto Madagasikara. Nanamafy i Jules Etienne fa na ny orinasa mandeha aza dia ilaina jerena ahitana ny olana sy ny fanatsarana azy.

Nahita lalam-barotra vaovao

Tsy niteraka olana ho an’ny vondrona Socota ny fialan’ny AGOA teto Madagasikara tamin’ny 2009 raha ny fanazavana nomen’Atoa Alain Rasoanaivo, Sekretera jeneralin’ny orinasa. Nambarany fa nahita lalam-barotra vaovao tany Afrika Atsimo izy ireo rehefa niala ny AGOA. Teo koa ny lalam-barotra hafa toy ny tany Chine sy Eoropa. Ankoatra ny lamba ampiasain’izy ireo eto Antsirabe moa dia fantatra fa mamatsy ravin-damba ho an’ireo orinasa afakaba eto Antananarivo ihany koa ny Cotona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT