Vokatra ihany!

Mamono lolo ny sarin’ny filoham-pirenena malagasy miaraka amina


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

printsy arabo na filoham-pirenena afrikanina sy eoropeanina samihafa.

Mety mbola hoavy koa, ohatra, ny sariny miaraka amin’ny filoha amerikanina vaovao na ny filohana rafitra iraisampirenena isan-karazany rehetra io. Miampy ilay serasera an-tsoratra amin’ny tambazotran-tserasera samihafa na am-peo mandangolango eny amin’ireo fahitalavitra sy onjampeo koa moa izany dia vao mainka «aoka fotsiny!», hoy ny firesaka mandoka izay. Samy serasera, na filazàm-baovao mihitsy, heverina ho tokony hamelom-bolo tokoa ireny rehetra ireny saingy ny matetika hita hatreto aloha dia ilay izy ialohavan’ny voambolana hoe «vonona». Lazaina fa vonona hanampy sy vonon-kamatsy daholo ity babay sy lohavohitra ity saingy ny vokatra no andrasana hatreto! Aiza ihany ny vokatr’ireny lazaina fa fanampiana sy famatsiana na fiaraha-miasa amina firenen-tsamihafa sy sehatra iraisampirenena nambara ho efa an-tanan’ny firenena malagasy ireny any anaty vilanin’ilay vahoaka malagasy? Aiza ihany ilay fampandrosoana tena mipaika amin’ny fampivoarana ny isan-tokantrano? Efa tsy sahirana mampiakatra ny vokany avy any ambanivolo miakatra aty an-tanàn-dehibe intsony ve ireo tantsaha sa mbola misy lalam-pirenena lasa anarany fotsiny fa na ireo fiara mandia aminy aza alina manontolo na 2 andro mihitsy mihitsoka anaty fotaka foana? Efa milamina ve ny fandriampahalemana? Nampidina ny vidim-piainana ve ilay hoe fifandraisana iraisampirenena amin’ny endriny vaovao idiran’i Madagasikara ankehitriny? Firy isan-jaton’ny malagasy izany izao no miaina anatin’ny antsoina hoe asa mendrika sy karama maha velona? Maro ny fanontaniana manitikitika na dia mipoapoaka foana aza ny serasera ho voizin’izao fitondràna izao eto satria tsotra dia tsotra foana no tena andrasan’ny maro an’isa dia ny efa voalaza teo. Vokatra ihany!
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT