Vokatra fa tsy kajikajy !

Nitsangana ny governemanta !


  • Zoma 27 Martsa 2026

Tsy misy ho afa-po 100%

amin’io satria henjana izany mitady olona 30 anatin’ny 30 tapitrisa izany raha ny sary mitranga. Samy manana ny andraisany azy, ka ao ny milaza fa ny tonta no avadibadika, ao ny miteny fa aleo aloha izy ireo hiasa fa tsy dia faly hivoy ahiahy sy hamboly toe-tsaina miiba lava,… Dia samy miandry ny tohiny ! Iny efa nambaran’ny Filoham-panjakana iny, fa nosokafana amin’ny herivelona samihafa, ka tsy maintsy nisy ny namana nampandeferina. Raha ny sary amin’ny ankampobeny kosa na izany aza dia toa misy ny afaka nampandeferina fa misy ny tsy azo nampandeferina. Ny irariana fotsiny dia tena hifaka sy hifantoka amin’ny fanavaozana sy fiovana andrandrain’ny vahoaka fa tsy sanatrian’ny vava mba tsy ho fitadiavana remby ara-politika hifanaovana hazakazaka arahin-tosika any amin’ny kajikajim-pifidianana any aoriana, ka samy hanao izay hahabe voho ny antokony ao. Tsy tokony ho fanangonana « trésor de guerre » amin’ny politika fa tena ho asa fanampoana ho an’ny vahoaka ? Efa niteny sy nanapika an’io ny Filoham-panjakana, saingy hamafisina ihany satria ny ahiahy tsy hihavanana. Na tiana na tsy tiana dia ny governemanta teo aloha aloha no mari-pandrefesana ny ho avy, mety sarotra ny handrefy ny 4 na 5 volana, saingy tsy maintsy natao izany, tsy nisy fisitrahana akory ny fotoana mba hanatsaharana ny fitsikerana izay 100 andro eo fa tena sady nandray firenena tao anaty lavaka no tratry ny don-tandro havia sy havanana, saingy izany ny fitantanana sy raharaham-pirenena. Tsy manan-tsafidy afatsy vokatra araka izany ny governemanta vaovao, ka ny hirariana dia ny hisian’ny vokatra azo refesina sy mbola hahomby noho ny teo aloha. Tsy mora io saingy rehefa nifidy ny lohany dia tsy mila matahotra ny masony e !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT