Edito

Voazioga tanteraka


  • Talata 27 Novambra 2012

Maro ankehitriny no mihevitra fa arakaraka ny maha akaiky ilay datim-pifidianana ny 8 mey 2013, no toa vao mainka mahasarotra ny famahana ny krizy.

 Hatramin’izao dia tsy hita ny fomba hampiharana manontolo ilay tondrozotra nosoniavina ny 17 septambra 2011. Mbola mitohy foana ny adihevitra amin’ny fampiharana ilay andininy faha-20 sy faha-45. Samy manana ny heviny ny andaniny sy ny ankilany. Maro be koa ny mpanatsatso sy mpanisy sira, tsy hita intsony izay tena marina. Tsy fantatra koa na tena tsy mahay na mody fanina ireo mpanao politika, ka mampanantena tsy misy na mampanantena hanolotra zaza ny valala tsy eo am-pelatanana akory. Izao mantsy, ny segondra nanaraka ny fanasoniavana ilay tondrozotra teny amin’ny Paon d’Or Ivato dia efa mazava fa tsy tompon’ny teny farany amin’ny famahana ny krizy sy fitantanana ny fiainan’ny fireneny intsony ny Malagasy. Fifanarahana eo ambany fiahian’ny sehatra iraisam-pirenena ny tondrozotra, ny sehatra iraisam-pirenena no manara-maso ny fampiharana azy, ny sehatra iraisam-pirenena mpanolo-tsaina, ny sehatra iraisam-pirenena no hanome ny ampahany amin’ny vola hanaovana ny fifidianana, ny sehatra iraisam-pirenena dia handefa mpanara-maso ny fifidianana eto.

Avy any ampitan-dranomasina avokoa ireo fitaovana rehetra ampiasaina mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Efa vita ny sonia ! Ny filohan’ny tetezamita, ny praiminisitra, ny ankamaroan’ireo ankolafy politika misy eto dia samy milaza fa ny tondrozotra ihany no lalana tokana hivoahana amin’ny krizy. Ka nahoana moa no misy mpanao politika mbola manonofy mikaroka zavatra hafa ankoatr’io indray no sady mampanantena ny vahoaka fa mahita vahaolana hafa, hono, izy ? Aoka tsy hifanambaka, aoka tsy hifanadala, fa efa io aloha no misy sy nekena dia izay izany. Mampalahelo ilay izy, fa izany no vokatry ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 e ! Iny no lalana nahafahan’ny sehatra iraisam-pirenena niditra lalindalina kokoa tamin’ny fitantanana ity Madagasikara ity, ka asa hoe izay izany no fanovana noheverin’ny sasany fa hatao eto ? Efa tahaka ny rano raraka an-tany iny, tsy azo averina na alaina intsony, fa raha toa ka nahita hevitra hafa dia tsy tokony ho nanasonia ilay tondrozotra dia natao izay natao.

Ankehitriny anefa tsy afa-miala intsony satria vao mihetsika kely dia bedin’ny SADC, dia tsy mety manome vola ny Vondrona Eoropeanina sy ny Banky Iraisam-pirenena, dia manidy poketra ihany koa ireo firenen-dehibe hafa, fa vola kely no mody atsipitsipiny amin’ny asa sosialy. Zava-misy sy marina izany ka ambara, ka asa izay fahagagana mety ho vitan’ny fitondrana tetezamita sy ny mpanao politika mba hialana eo ambany ziogan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, fa ankehitriny aloha dia tsy ny Malagasy mihitsy no tompon’ny teny farany e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT