Edito

Voatery tsy maintsy haka tahaka ve ?


  • Alakamisy 11 Aogositra 2016

PMP, OBAMA, FMI, AFP, … Samy anarana fandre any ivelany any daholo ireo na koa mitovitovy amin’ny any ny sasany.


 Ny mahagaga dia amin’ny teny frantsay avokoa ny ankamaroany. Voatery tsy maintsy haka tahaka foana ve  ? Efa ho enim-polo taona izao no nanomezana antsika fahaleovantena ary efa be koa ny tolona tao aorian’ny 1960 nitakiana ny “fahaleovantena tena izy”. Na ny anaran’ireo fikambanana sy ny fanafohezana aza anefa dia mbola ahitana taratra fa voazanaky ny vahiny, indrindra, ny frantsay, ny saintsika. “Plateforme pour la Majorité Présidentielle”, na PMP mifanakaiky amin’ny hoe UMP tany Frantsa,  i OBAMA sy ny FMI no malaza.  Ary dia vao nivory omaly koa moa ilay hoe AFP na ny Antso ho an’ny fanavotam-pirenena, izay tsy misy idirany amin’ny Agence France Presse ao Frantsa , fa mba fanafohizan-teny nitovy fotsiny. Na dia ireo fotsiny aza dia efa ampy hampitombina ilay fandinihina nataon’ireo manampahaizana izay maneho fa very 25 taona i Madagasikara raha ny fampandrosoana no jerena satria, dia ilay toe-tsaina mihitsy no efa tsy vonon-kandroso. Tsy mahagaga ihany koa raha maro ny tanora amin’izao fotoana tsy mahafehy ny tenim-pireneny satria manana ny tahafiny izy ireo. Ny rafi-pampianarana rahateo ihany koa moa zara raha miova fa tsy mety miala lavitr’ilay napetraky ny renimalala mihitsy. Toy izany koa ny lalàmpanorenana, tsy resahana intsony ny tartasim-panjakana sy ny fampitam-baovao ofisialy, amin’ny teny vahiny ny 95% n’izy ireny.

Faralahimatoa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT