Edito

Voatery mifanaraka


  • Talata 23 Jona 2015

Manomboka hita soritra ankehitriny ny zava-kinendrin’ireo ankolafin-kery politika eto amintsika fa dia ny fananganana governemanta vaovao. Ilay fifanarahana ho amin’ny fitoniana no lalana izorana mankany amin’izany

 


. Namela takaitra amin’ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina ilay fikasan’ny solombavambahoaka handrodana ny filoha, ka voatery niroso tamin’ny fifampiraharahana ny rehetra. Miovaova ny maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena, niverina ho mahaleotena indray ireo kandida mahaleotena efa nanao mersenera tany anaty vondrona parlemantera maro samihafa tany. Mibaribary be fa tsy vitan’ny HVM ny mitondra ny firenena sy mametraka ilay fitoniana takian’ny mpamatsy vola ho takalon’ny fivoahan’ny vola. Mandeha anefa ny kajy politika isan-karazany, misy ny mitifi-danitra mba hahavoa tendrombohitra, ao ny mailo famindra, misy ny mody tsy miteny kanefa miasa mafy any ambadibadika any mba hiverina ao anaty fitondrana indray. Tsy azo odian-tsy hita ny fahasahiranana, tsy ny resaka maro an’isa na vitsy an’isa no inona fa ny fahamatoran’ny tsirairay hiatrika ny fanarenana ny firenena. 55 taona aty aorian’ny niverenan’ny fahaleovantena dia miandry ny vahoaka raha mba hahay hitondra tena amin’izay ny mpanao politika fa tsy ho variana amin’ny ady seza fotsiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT