Edito

Voapoizin’ny fanadinoana


  • Talata 29 Oktobra 2019

Hoy ny filoha teo aloha ny Amiraly Didier Ratsiraka izay hoe : “mora manadino anie ny Malagasy e ! “ .

 Tsy sanatria teny fandatsana, fa rehefa dinihana lalina dia mitombina tokoa. Adihevitra  izany re etsy sy eroa izany ankehitriny : tsy mahavita azy io fitondrana io fa mampiesona fotsiny, misy mamaly bontana avy hatrany : fialonana ny anareo no betsaka fa aleo kosa izy aloha mba hiasa fa vao sivy volana anie izay e ! Mivoaka indray ny resaka hafa : na hihodin-kavia na hiodin-kavanana isika, tsy ho tafavoaka raha tsy mihavana. Hadalana no tsy namitana hatramin’ny farany ny fampiahavanam-pirenena, izao faly ery ny vahiny mampiady antsika. Iza no marina, iza no diso ? Mety mbola ho very 5 taona manaraka indray raha hifanasa vangy amin’izany. Ny tsotra indrindra dia mijery ny zava-misy iainana, mamantatra hoe inona ny olana fototra ary avy aiza no niaingan’io olana io. Miketrika avy eo mitady ny vahaolana fohy ezaka, antenantenan’ezaka ary lavitrezaka. Mba mahamenatra ihany anie ny mahita hoe tsy hita tabilao ao anatin’ireo oniversite 200 sokajiana ho sangany aty Afrika ny oniversite Malagasy  kanefa ny an’ny fanjakana atambatra amin’ny tsy miankina efa ho toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy latsaky ny 300 isa. Ny Kaomorianina namavomavoana sy nanaovana eson-teny fahiny hoe tsy manao asa afa-tsy “ gardien” efa manana sandam-bola matanjaka noho ny ariary. Ny nosy Maorisy, kely noho ny faritanin’Antananarivo..manankarena efa ho avo 5 heny amin’i Madagasikara. Ny firenena Afrikanina mpiady an-trano, mosarena. Efa nisongona an’i Madagasikara ary manana metro. Adinon-dramalagasy fa ny korontana fanaony sy iainany isaky ny 5 na 10 taona noho ny  adilahy politika no mampahantra azy, adinon-dramalagasy fa io fifanavakavahana ifanaovany isan’andro io no mampisara-bazana azy ka maha mora ny fampiadiana azy.Adinon-dramalagasy fa samy hafa mihitsy ny fitiavan-tanindrazana sy ny fankahalana vahiny. Adinon-dramalagasy fa raha manao kolikoly kely sy mametraka kely isaky ny mihetsika izy dia milamina vetivety ny fiainany fa tsy hisandratra mandrakizay izy satria miaina anaty fahalovana. Mora manadino marina ny Malagasy ka lasa manantena fahagagana isaky ny misy fifidianana. Aoka re marina e ! Tsy efa fotoan’ny fifohazan-tsaina kosa ve izao fa tsy mbola ho taraiky amin’ny fitiavan-tena eo e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT