sasany aza moa no maneho sy mamakafaka fa mbola tsy
azo lazaina hoe firenena akory i Madagasikara amin’izao fotoana izao dia ny tsy azo lavina aloha dia ny hoe «reny» no fototr’io teny io ary misy amin’ireo mpandinika sasany aza milaza fa diso mihitsy ny fandikàna amin’ny teny vahiny izany teny izany hoe «patrie» fa «matrie» no tokony ho izy satria avy amin’ny hoe «mère» na reny. Ny azo antoka indrindra izany, raha izay fiforonan-teny izay no ifotorana, dia tsy misy firenena eto ambonin’ny tany ankoatran’ity Madagasikara ity ary rehefa miresaka hoe fiainam-pirenena dia ny fiainana mahakasika ity nosy ity manontolo izay no resaka. Rehefa mijery ny zava-misy amin’izao fotoana izao ny rehetra, na ireo tsy mpanara-baovao aza, dia samy mahalala fa mibahana eto ankehitriny ny resaka fahapoizinana, fa indrindra, ny resaka fanapoizinana, izay niandoha tamin’ilay raharaha Ambohimalaza nahafatesana olona, indrindra, tanora, 30 isa mahery hatreto. Efa ho maherin’ny 50 izany manerana ny nosy tato anatin’ny 2 volana teo izao. Lasa mifandimby manao serasera momba izany daholo ity tomponandraikitra rehetra eto amin’ity firenena ity. Ny fianakaviamben’ilay minisitera tokony ho voakasika voalohany indray aza no sokirina tahaka ireny inona ireny vao miseho amin’ny haino aman-jery ary nahasorena sy nahatezitra mpanara-baovao maro mihitsy moa, araka ireny niaraha-nahita ireny. Etsy ankilany dia efa heno naneho ny heviny tamin’ity raharaha ity ny minisitry ny serasera, ny loholona sasany, ny depiote, ny lehiben’ny fampanoavana, ny minisitry ny fitsaràna hatramin’ny filoham-pirenena ary tsy isalasalàna intsony ankehitriny ny milaza fa lasa raharaham-pirenena tanteraka izy ity. Takona hatramin’ny ady momba ireo nosy manodidina sy ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC amin’ny volana aogositra na ny fahasahiranam-bahoaka hafa mbola tsy voavaha tahaka ny karama tsy mety misondrotra na ny tsy fisian’ny asa sy tsy fandriampahalemana. Mba takona tahaka izany koa ny resaka fotoam-piasana fahatelon’ny filoham-pirenena ankehitriny saingy mampametra-panontaniana ihany hoe sao dia mba misy fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» goavana tahaka ny mahazatra indray aza ao anatin’izany rehetra izany hampisoko miadana azy ity? Misy fampahatsiahivana didim-panjakàna efa mivohy moa any anaty tambazotran-tserasera any fa ny tena misongadina aloha izany izao dia voapoizina hatramin’ny fiainam-pirenena manontolo mihitsy manoloana ity raharaha niainga tao Ambohimalaza ity!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.