Edito

Voan-dainga


  • Sabotsy 17 Septambra 2016

Fomban’ny mpandeha no mitondra voan-dalana rehefa tonga avy any amin’izay tany nandehanana ary matetika no makotroka ny fitsenana.

Toy izany ny zava-misy rehefa tonga avy any ivelany ny filoham-panjakana izay matetika dia tsy andriny ny hiresahana amin’ny mpanao gazety sy ny vahoakany hizarana ny vaovao nentina avy any amin’ny tany naleha. Tsy izany kosa no nisy tamin’ity indray mitoraka ity ka dia maro ny tsy mahalala hoe efa eto an-tanindrazana ny filoha sa mbola any ivelany. Fa naninona no tsy nakotroka toy ny mahazatra ny fahatongavana raha efa tonga  ? Sa afenina fotsiny amin’ny hoe tonga andro alina ? Efa tany Mahajanga vao fantatra hoe efa eto ny tenany. Fa nahoana ny haino aman-jerim-panjakana no tsy mampahalala intsony izay tena nisy azy ? Maro ny mihevitra fa menatra ny lainga nafafy tany an-tanin’olona izay nabaribarin’ny namany ny filoha ka dia naleony tonga mangingina mba tsy ho tratry ny fanontaniana saro-baliana sy kiana mivaivay. Ny Malagasy rahateo moa efa zatra maheno ny lainga afafin’ny mpitondra eto amintsika ka dia voan-dainga no tangosana eto amin’ny firenena fa tsy mba izany fampandrosoana izany.

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT