Edito

Voambaka indray e !


  • Sabotsy 15 Oktobra 2016

Isika Malagasy izany dia tsy mba hahazo tombony mihintsy fa dia voambaka foana amin’ny zava-drehetra.

Mandeha fitrandrahana harena an-kibon’ny tany voambaka, mandeha fanomanana fivoriana iraisam-pirenena voambaka. Raha nodradradraina tany am-boalohany mantsy fa hatao lalam-be migodana mahazaka fiara efatra mitanjozotra ny làlam-baovao vao namboarina mihazo an’Ivato dia tsy izay no zava-misy. Làlana zara raha mahazaka fiara roa no misy ary tany mena notsindriana tara maimaika no misy fa tsy mba manara-penitra. Zara raha vita ny asa nankinina tamin’ny Sinoa. Efa tsy mazava tamin’ny rehetra rahateo moa ny fomba nahazoana io tsenan’asa io fa ny vokatra aty aoriana sisa iaraha-mitazana. Vola be no nafafy tamin’ny fanaovana ireny fotodrafitrasa ireny  saingy taona vitsy dia ho potika raha izao no zava-misy. Vokatry ny tandrametaka sy ny vahaolana vonjy tavanandro efa zary fomba fisainan’ny mpitondra eto amintsika ny zava-misy ka ataon’ny olona tohatra fiakarana lava eto ny Malagasy. Ny mpitondra antsika ve no dondrona sa ilay hambom-po sy hazon-damosina mihitsy no tsy misy e? Sa kosa ilay fitiavan-kely no mbola mibaiko ka mijanona ho seho ivelany izay rehetra atao? Mila fiheverana!

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT