Edito

Voamason’omby maty ?


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Mandeha indray ny fampitenenana ireo mpanao politika sy vondron’olom-bitsy mpanohana fitondrana hanehoana fa mbola mamim-bahoaka izao fitondrana ankehitriny izao.

Ny sasany aza moa dia tena sahy milaza sy miteny fa tena mandroso ny firenena ary tsy mbola nisy nahavita tahaka ny nataon’izao fitondrana izao? Sao dia ny ambaindain’ny harena amam-pananan’izy ireo no mandroso sy milamina dia ny vahoaka no terena hitovy amin’izany? Tena tonga amin’ilay fitenin’ny filohana andrim-panjakana iray hoe: manao tahaka ny voamason’omby maty ka mijery ihany fa tsy mahita. Tsy finiavana hitsikera na fankahalana fa tena mbola tsy nisy fahasahiranana mandifotr’olona tahaka izao tao anatin’ny 60 taona, na maro aza ny krizy nandalo teto amin’ny firenena sy maneran-tany. Samy mba niaina krizy ihany ireo Filoham-pirenena nandray fahefana, raha tsy hilaza afatsy ny tato amin’ny 20 taona farany, saingy ny an’ity ankehitriny ity toa mitarika midina isak’izay mahazo fahefana. Tsy misy resaka tsangan’olona, fa nandeha ny krizin’ny 2001-2002, fa nahavita nametraka harin-karena faobe 7,1% ambony indrindra ny mpitondra tamin’izany tao anatin’ny 7 taona nitondrany, fitaratry ny Rafitry ny Firenena Mikambana momba ny fampiroboroboana ara-indostrialy i Madagasikara. Tonga ny tetezamiitatra 5 taona, dia nivarina an-kady i Madagasikara. Tonga indray ny Fanjakana vaovao ny 2013 napetraky ny tetezamita, saingy nahozongozona rehefa tsy nety natao saribakoly. Na izany aza, mba nahavita nametraka fototra nahafaha-nanainga ny toekarena 5,4%. Tonga indray anefa ity, dia izao ny zava-misy, mijotso any an-davaka indray ny firenena, ary miseho ny fihemorana sy fahantrana tsy mbola hita tao anatin’ny 60 taona. Fialana bala sy fanilihana andraikitra no hany mirarakopana. Herintaona mahery tsy hifaranan’ny taom-piasana mbola fampanantenana mirarakopana tahaka ny mbola propagandy sy fiomanana amin’ny progandy manaraka. Miharihary fa betsaka ny mpisolelaka sy mpanipy hoditr’akondro ao anaty fitondrana, ka na efa manao fahadisoana mirarakopana aza dia mbola “mety izao prezida”. Iaraha-mahalala ny zava-nisy sy misy, ka anjaran’ny rehetra ny maka lesona. Andeha hindramina kely ilay hoe: “Tsy ny mpitondra no mamotika ny firenena fa ny vahoaka mahita izany kanefa mitazam-potsiny”. Tsy resy ny olo-mangina, ary ny biby hanaikitra tsy mba mivovo, ka tandremo ihany ny ampitso e!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT