Ny firenena milentika an-davaka. Faharoa alohan'ny farany mahantra.
Mihemotra ny ady amin'ny kolikoly. Mihemotra ny demokrasia. Mitotongana ny Ariary. Midangana ny vidim-piainana. Kere atsy, Covid aroa. Santionany amin’ny fintin’ny fiainam-pirenena ankehitriny ireo raha ny tranga sy fitarainana ary tarehimarika nivoaka momba an’i Madagasikara avy amin’ireo sehatra samihafa eto amin’ny firenena hatreto ireo. Isan’ny vao nandrenesana tsy ela izany ny tontolon’ny fanaovan-gazety. Ity farany moa izay tsikaritra ho miaina ady sarotra sy miha mafy arakaraky ny fivadiky ny taona. Toy ny fipetraky ny lalana ankapoben’ny fiarahamonina eto izay samy ahitana fandraisana samihafa arakaraky ny firehana hananan’ny tsirairay ihany hatreto no hita ho fipetrak’ilay lalana na sata mifehy ny fifandraisana. Taiza izao izay tsy fisiana mpanao gazety niditra am-ponja teo intsony? Firifiry moa ireo mpanao gazety mbola nampilaharina tamin’ireo voarohirohy ho nanao heloka bevava teny amin’ny borigady misahana izany? Tsetsatsetsa tsy aritra iny hametrahana ny fanontaniana goavana heverina mbola tokony hipetraka amin’izao fotoana izao hoe hoentina aiza ity firenena ity? Tsy vitan’ny efa difotry ny fahantrana ny vahoaka ankehitriny fa mbola voalatsa tsy fidiny ihany koa manoloana ireo vahaolana aroson’ny mpitondrany. Toeram-pilomanosana ve no tokony haroso ny matin’ny hetaheta sa rano fisotro? Kianja manara-penitra ve no tokony haroso ny tsy ampy sakafo? Tsy lazaina intsony moa ny fiara raitra sy fananana hafa an’ireo manam-pahefana sasany izay mampiaiky izao tontolo izao sy tsy lazaina intsony ireo fanamarihan’izy ireo momba izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.