Edito

Voagadra tanteraka !


  • Sabotsy 24 Jona 2017

Ao anatin’ny fetim-pirenena tanteraka isika amin’izao fotoana izao, saingy toa anarany fotsiny aloha izany hatreto.


Tsy tsapan’ny Malagasy ny fahaleovantena fa fangejana sy fanagadrana no misy. Gadrain’ny fahantrana sy ny fahasahiranana efa tena tapitr’ohatra ny sarambabem-bahoaka. Etsy an-kilany, gadrain’ny fitiavan-tena tsy hita pesimpesenina ny mpitondra, ka zary fihatsarambelatsihy sy fanompana ny Malagasy tsotr’izao ny resaka fitiavan-tanindrazana aloaky ny vavany. Sesilany ny fivarotan-tanindrazana, ny fampidiran-trosa, ary kolikoly izay efa zary paikady hoenti-mitantana ny firenena. Ny vahoaka kosa etsy an-daniny, dia mahantra fadiranovana eo ambonin’ny tany ambara ho manana harena tsy hita noanoa. Resahina foana ny hoe Gasikara manankarena sy mahaleotena ary manana fiandrianana kanefa dia mbola any amin’ny rambony amin’ny lafiny rehetra. Any anaty fahantrana isika no mitana ny laharana voalohany saingy tsy hay intsony hoe manaiky hosokajiana ho efa voaozona tokoa ve, ka dia hanaiky hohitsahina hatrany an-tampon-doha mandrakariva ? Kihon-dalana hahafahana manokatra pejy vaovao hialana amin’ny gadra ankehitriny, ka anjaran’ny rehetra no misaina sy mandinika. Any amin’ny mpitondra irery no vahaolana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT