Edito

Voafitaka tanteraka


  • Alakamisy 22 Novambra 2012

Nirodana efa ho efatra taona latsaka kely izay ny fitondrana Ravalomanana, kanefa tsy mbola nahazo rariny momba ny nambarany fa fifaninanana tsy ara-drariny ihany ny Savonnerie Tropicale an’ny fianakaviana Ramaroson.

 Tsaroana tsara mantsy fa fanehoan-kevitra nandritra ny ora enina be izao no nanakianan’ity orinasa ity ny fitondrana teo aloha, indrindra moa fa Atoa Ravalomanana sy ny orinasany, fa hoe manome vahana loatra ireo entana avy any ivelany, ary mamono mihitsy ny mpandraharaha Malagasy. Ny savony no noresahana manokana tamin’izay, satria dia misy savony nohafarana avy any amin’ny nosy Maorisy miditra eto Madagasikara, ary amidy amin’ny vidiny mora kokoa, noho ny savony vita malagasy eny amin’ny tsena.

Ho an’izay manahadidy tsara, dia niainga tamin’io fanehoan-kevitra tamin’ny faramparan’ny taona 2008 io ny fanoherana mavaivay ny fitondrana Ravalomanana izay niafara tamin’ny fandrodanana azy mihitsy moa. Mazava tsara izany izao fa tsy Atoa Ravalomanana na ny fitondrany no nanome vahana manokana io savony vita avy any Maorisy io satria ry zareo efa tsy eo amin’ny fitondrana intsony. Toa mbola tafiditra tsy misy hetra eto ihany anefa ilay savony. Dia io mbola mimenomenona io foana ny Savonnerie Tropicale, anisan’ireo orinasa noheverina fa nahazo avara-patana tamin’i Andry Rajoelina, ka rehefa tafapetraka ny tetezamita dia mba hilamindamina amin’izay, kinanjo toa vao miha sahirana ihany.

Ny marina aza dia efa raikitra mihitsy ny ady eo amin’ny mpomba an-dRajoelina sy ny fianakaviana Ramaroson fa izay hiafarany sisa no andrasan’ny rehetra hoe hanao ahoana. Dia tahaka izany koa ilay resaka fampanofana tany nambara fa saika hataon’ny fitondrana teo aloha tamin’ny Daewoo Logistics. Fanakianana tsy misy ohatr’izany ! Iaraha-mahita anefa ny zava-misy hatramin’ny nijoroan’ny tetezamita fa tena manaram-po mangorona tany manerana an’i Madagasikara ny Karana sy Sinoa ary ireo mpanambola akaikin’ny fitondrana tetezamita. Maromaro ihany no voafitaka nanomboka tamin’ny 2008 no ho mankaty raha nanantena fa hitondra fanovana teto i Andry Rajoelina. Firenena miha potika isan’andro anefa no hita izao ary ny mpitondra dia miha matihanina tanteraka amin’ny fanilihana andraikitra sy ny fialana bala, ny hafa foana no diso fa ry zareo marina mandrakizay !
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT