Mampieritreritra ihany ny tenin’ny mpamakafaka politika iray omaly. Aminy mantsy dia voafitak’ireo mpanao politika miara-dia aminy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny alalan’ny fanasoniavana ny tondrozotra ny 17 septambra 2011, satria tsy manome lanja mihitsy ny fodiany eto an-tanindrazana iny tondrozotra iny
. Tsy azo ianteherana momba ity resaka ity ihany koa ny vahiny satria samy manana ny tombontsoa arovany sy ny fomba fijeriny, ny Frantsay ny Amerikanina izay mifandrirotra an’i Madagasikara. Diniky ny samy malagasy arahana fampihavanam-pirenena ihany no vahaolana amin’ny fodian’ity filoha teo aloha ity, hoy ity mpamakafaka politika ity. Efa tena maro ihany anefa izay diniky ny samy malagasy natao izay, fa dia adino tanteraka ny momba an’ingahy Ravalomanana. Nisy mihitsy aza ireo milaza azy fa mpampihavana sahy nilaza fa hoe : tsy voatery ho eto Madagasikara anie ity filoha teo aloha ity fa efa manana olona misolotena azy izy ka azo atao foana ny fampihavanana. Raha izay no izy dia miverina zero daholo ihany izany ny zava-drehetra fa tsy hiditra eto Madagasikara mihitsy i Dada satria ny mpitondra fanjakana, ny manampahefana sy ny manana andraikitra amin’ny resaka fampihavanam-pirenena mihitsy no malaina ny amin’ny hiverenany eto. An-kilan’izay, maro no mahatsapa fa tena misy mamadika an’i Marc Ravalomanana ireo olona noheveriny fa azo itokisana, ka mety ireny olona ireny mihitsy no miasa mangina any ambadika any manakana ny fiverenany eto. Na izany aza anefa, fantatra ihany koa fa tena matanjaka amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ity filoha teo aloha ity, manana paikady politika ary ny tena zava-dehibe dia mbola maro be ny Malagasy ao an-damosiny ary na inon-kidona na inon-kihatra dia hiara-dia aminy hatrany amin’ny tolona ataony, ho an’ny tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.