Edito

Voadona ka mahatsiaro zo


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Hoy ny filoham-pirenena teo aloha : “Isika Malagasy dia diso satria nanaiky lembenana”.

 Mety ho maro tamin’ireo olom-pirenena no tsy nahazo ny zava-nolazain’ity filoham-pirenena naharitra indrindra teo amin’ny fitantanana ny repoblikan’i Madagasikara ity, eny fa na dia hatramin’izao aza. Raha dinihina mantsy ny zava-misy mandraka ankehitriny dia manaiky lembenana hatrany tokoa isika mianakavy manoloana ny zava-mitranga. Mirongatra ankehitriny ny ady tany ary saika fifandonana eo amina teratany Malagasy sy vahiny hatrany no mitranga. Nohirahiraina tato ho ato ny zon’ny Malagasy eo ambonin’ny taniny. Fantatry ny sarambabem-bahoaka izay tompon-tany eto tokoa ve farafaha ratsiny ny singa fototra tokony ho fantatra mikasika izay zony izay ? Matetika dia hita fa voadona ka mahatsiaro zo isika Malagasy izay tantsaha mivelona amin’ny tany ny ankamaroany saingy fantatsika fotsiny hoe misy izany zo mikasika ny fananantany izany fa ireo andininy sy andalana fototra hiarovana antsika ao anatiny ao toa potipotiny ihany na tena tsy misy fantatsika akory na ny kely aza. Rehefa voadoana foana isika vao manao hetsika. Ny mpitondra aza moa mampametra-panontaniana hoe ndrao mody mihetsika ?

“Mba tadidinao ve ilay tany naniriana, teny manan-jina,… ka aza itomaniana…”, hoy ilay hira, rehefa hiaro azy ianao.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT