Edito

Voa tamin’ny kely foana !


  • Alarobia 13 Jolay 2016

Na ahoana na ahoana fomba filaza sy adihevitra mety hatao dia nahomby aloha ny hetsiky ny mpanao gazety omaly.


 Voaporofo fa fahefana faha-4 tokoa ny mpanao gazety sy ny asany. Nikoropaka ny fanjakana, asa na mahana amin’ny ratsy natao na efa voataizan’ilay  tahotry ny hiongana ka vao misy vondron’olona mihetsika kely dia mamoaka tafika avy hatrany. Hitan’ny rehetra izao, na eto an-toerana na any ivelany fa mpitondra kaodikaody lava no misy eto Madagasikara, izany hoe tsy mahatoky ny heriny sy ny fitiavan’ny olona azy intsony ka tsy maintsy mampiasa zavatra hafa mba hametrahana ny fahefany. Tena voan’ny mpanao gazety tamin’ny kely foana  ny fitondrana omaly. Notairina kely ary tonga dia nikoropaka be ka nametraka emmo reg eraky ny tanàna. Hay ve misy tahaka ireny ihany e ! Ka nahoana no tsy atao isan’andro mba hanenjehana ny jiolahy mpangalatra sy mpanolana ary mpamono olona ireny ? Efa ren’ny mpanao gazety fa misy paikady maloto ketrehana any ambadibadika any handotoana ny hetsika. Vaovao samy mahay mitsikaraka, atidoha samy manana ka tsy misy mifanambaka izany eto. Ny tantara dia mbola mitohy …

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT