Tsy dia araka ny nanampoizana azy ny olona tonga teny amin'ny CCI Ivato nanatrika ilay fanompoam-pivavahana ho an'ny firenena, omaly.
Tsy feno ny trano, azo ambara hoe vitsy no tonga ary na dia ny mpitondra fanjakana aza dia nisy tsy tazana teny an-toerana. Voalaza fa ny FFKM Antananarivo sy ny prezidansa ary ny foloalindahy moa no nikarakara ity fanompoam-pivavahana ity, kanefa na ny foloalindahy aza, dia toa hita fa vitsy ny solontenany tonga teny. Raha atao koa ny kajy tsotsotra, ireo mpikambana ao amin'ny CST sy ny CT dia efa mahafeno amin'ny ampahany betsaka ny trano fivoriana eny amin'ny CCI. Vitsy anefa izy ireo no tonga teny, fa ngamba mbola nankalaza ny fetin’ny ray na tany an-toeran-kafa ka tsy dia nahagaga raha hita ho bangabanga be ny seza. Niatrika ity fotoana ity moa ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina, ary inoana fa tsapany tsara ankehitriny ny tsy fankasitrahan'ny maro an'isa ny tetezamita tarihany. Mazava ny resaka eto fa tsy mahazaka olona maro be izany intsony ny fitondrana tetezamita satria efa tena leo ny fitaka sy fampandriana adrisa ny vahoaka.
Tsy mandaitra ary tsy mahasarika olona firy intsony ny dokambarotra mipoapoaka. Na Atoa Andry Rajoelina aza, dia tsy sahy mihitsy mitsidika ny faritra sasany eto Madagasikara, tahaka ny any Anosy sy Androy, ohatra. Mazava be ny resaka eto fa dia mihena isan'andro ny fitiavan'ny olona izany fitondrana tetezamita izany, ary efa miha vitsy andro aman'alina ireo mbola matoky an'i Andry Rajoelina. Io fahatsapana ny fahasosoran'ny olona aminy sy ny ekipany io, no mety nampilefitra an’i Andry Rajoelina ka nanekeny ny hihaona amin'i Marc Ravalomanana, satria efa tena tapi-dalan-kaleha amin'ny famahana ny krizy izy no efa manomboka omen'ny vahoaka lamosina ihany koa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.