Edito

Vitavita ho azy


  • Zoma 11 Aogositra 2017

Nangiana tanteraka 26 taona aty aoriana ny fanamarihana ny diabe ho an’ny fahafahana nihazo ny lapam-panjakana Iavoloha ny 10 aogositra 1991.

Samy tsy nisy nanaiky ho tompon’antoka na ny filoha tamin’izany na ireo nitarika, fa ny tsy azo lavina dia maro ny faty niampatrampatra, nisy ny naratra sy lasa nitondra takaitra. Vitavita ho azy tsy nisy tohiny intsony ny raharaha, ary tahaka izany hatrany no niseho teto amin’ny firenena na nialoha na taorian’ny raharaha 10 aogositra. Nitohy hatrany io hoe “vitavita ho azy” io taty aoriana indrindra fa tato anatin’ny 10 taona latsaka kely. Vitavita ho azy ny fanonganam-panjakana, ka mihevitra ny hikosoka ny tantara sy te hivoaka ho olo-marina, ary maniry mafy ny mbola haka fahefana ny olona efa naloto tamin’ny famotehana firenena. Vitavita ho azy ny fandrobana sy ny famotehana fananan’olona. Vitavita ho azy avokoa ny zava-drehetra, ka zary afa-maina sy sarimihetsika sisa atao amin’ny mpanao kolikoly amina miliara maro,... Mbola ho maro ny zavatra ho vitavita ho azy eto ato ho ato, raha mbola manaiky lembenana hatrany ny Malagasy. Efa tena iainantsika sy ataon’ny mpanao politika fitaovana mantsy ilay hoe ny Malagasy mora manadino, ka ho avy indray izy amin’ny angady sy ny harona hambabo sy haka ny fon’ny maro, saingy ho vitavita ho azy ny fampanantenana sy lango malefaka, fa ny teo ihany no ho eo raha toy mbola ny Fanjakana Mampiesona sy ny mitovy karazana aminy no ho eo!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT