Toa nangatsiatsiaka izany ny fahatsiarovana ny 7 febroary tamin’ity taona ity, ary hita ho tena nihena ny isan’ny olona tonga teny Ambohitsorohitra ny talata lasa teo.
Tsy nandaitra ny dokambarotra sy ny fanentanana ary ny fanasana atidoha natao tao anatin’ny herinandro mialoha io daty io. Namalifaly ny ampahany tamin’ireo vahiny nasaina teny Ambohitsorohitra saingy kosa nanafintohina ny maro, ny kabary feno fihantsiana nataon’i Andry Rajoelina. Maro no diso fanantenana satria noheverina fa mba efa manana fahamatorana ny filoham-panjakana, kinanjo mbola mihevitra ny tenany ho mpitari-tolona teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, ihany i Andry Rajoelina hatramin’izao. Maro ihany koa ny mahita, taorian’ireny kabary teny Ambohitsorohitra ireny fa efa sady tsy matoky ny tenany intsony, no miahiahy ireo olona manodidina azy i Andry Rajoelina. Koa inona intsony moa no azo antenaina aminy raha izany fa tsy efa izay no vita ! Tsy mbola vita ny tolona, hoy izy, ary tsy maintsy tohizana.
Nilaza ny tsy hamadika ny vahoaka Malagasy sy ny toky nifanomezana tamin’ny 2009 i Andry Rajoelina, kanefa nanaiky ny fidiran’ireo olona narodany ao anatin’ny fitondrana tetezamita tarihany. Mahakivy sy mahaketraka ireo izay tena niharam-boina sy nitolona mafy telo taona lasa izany toe-javatra misafotofoto be izany, ary mahatonga azy ireo tsy hatoky intsony ny filohan’ny tetezamita. Tena maro be loatra ireo fifanoheran-kevitra ambaran’i Andry Rajoelina, hoy ny mpandinika fiarahamonina iray, hany ka tsy dia mahagaga ahy loatra raha mandà tsotra izao ny soniany izy, ary tsy mety manatanteraka izay zavatra nekeny tany aloha. Ao anatin’ny kizo ny firenena akehitriny, ary hita sy tsapa fa tena sahiran-tsaina ny filohan’ny tetezamita mamono afo. Miantso ny hafa mba hahatsiaro tena i Andry Rajoelina, fa moa va mba mahatsiaro tena tsara amin’ny tsy mety nataony na ny lalan-diso nitondrany ny firenena izy ? Nanakiana mafy ireo izay tia mifikitra amin’ny fitondrana izy, fa inona moa no anaran’izao fitarazohan’ny tetezamita tarihany izao, ary tsy fifikirana mafy amin’ny seza sy ny fitondrana ve ny fahalainan’i Andry Rajoelina hampihatra ny tena fiaraha-mitantana ka handinganany lava ny praiminisitra. Tao anatin’ny 12 volana dia nahavita fifidianana ny tetezamita tany Tonizia, ny eto Madagasikara kosa telo taona tsy mety tafapetraka tsara ny fitondrana tetezamita ary tsy mbola fantatra mazava izay lalan-kizorana marina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.