Vita iny ny fifidianana ben’ny tanàna

ka andrasana ny vokatra ofisialy,


  • Alakamisy 12 Desambra 2024

Andao hibanjina ny ho avy !

indrindra ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra izay isan’ny stratejika indrindra. Betsaka ny lesoka sy hosoka samihafa ary miha mihemotra hatrany isika amin’ny lafiny demokrasia sy ny fahadiovan’ny fifidianana. Mbola tsy hay izay hibata ny fandresena amin’ireo hery politika miisa 2 izay efa nifampitady tao anatin’ny 15 taona. Dia ny rehetra no mamisavisa hoe : hanao ahoana raha ny andaniny ary tahaka izany ihany koa ho an’ny ankilany ? Tsy izay olona hitantana ny Renivohitra no olana fa ny hoe : afaka manantena fivoarana sy rivo-baovao ve ny vahoaka sa ny omaly tsy miova hatrany ? Ny ampitso no hamaly an’izay. Mipetraka ho hery fahatelo kosa ny Tia Tanindrazana, izay niezaka nametraka fomba fijery sy fanovana amin’ny fanaovana politika. Nitodika betsaka tamin’ny fanehoana sy fanomezana fanantenana ho an’ny vahoaka fa ny fanabeazana no fanalahidy handresena ny fahantrana, ilaina ny mangarahara amin’ny fitantanana firenena, azo atao ny miasa sy manao zavatra hahasoa ny vahoaka amin’ny eo am-pelantanana, mila asa fa tsy rendrarendra ny vahoaka,… Fahasahiana sy finiavana goavana no naseho, ary tena nisy ny fiaraha-mientana, ny fahavononana hiara-dia tao anatin’ny fiarahana tsotra sy marina ary mahomby fa tsy nentina tamin’ny kisarisarim-piaharana sy fifanambazana ara-bola, maro ny asa napetraka ho fanasoavana ny vahoaka izay tsy nilana tambiny na setriny,… Mipetraka ho fototra ho amin’ny ho avy ireny, ary tsy mijanona eto ny raharaham-pirenena ! Vao dingana iray izay no vita fa mbola be no ho avy koa isaorana ireo mpiara-dia tsy nikely aina tamin’ny fiaraha-mientana, isaorana ny vahoaka tsy ankanavaka na ny nifidy na ny tsy nifidy. Firenena iaraha-manana ity koa entanina hatrany ny rehetra hiara-hijery sy hitodika amin’ny soa iombonana satria tena mila fanovana sy rivo-baovao ny Firenena ! Andao hiara-hibanjina ny ho avy !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT