Edito

Vita Hatreo !


  • Talata 18 Oktobra 2011

Mbola mitana ny sain’ny maro ihany amin’izao fotoana ny resaka politika. Mahaliana tokoa mantsy izay ho praiminisitra ho avy eo, ny fitsinjarana ny toerana ao anatin’ny governemanta sy ny parlemanta, ny ho firafitry ny CENI indray.

 Ny ankolafy Ravalomanana moa, raha ny resaka mandeha, dia nilaza fa Atoa Manandafy Rakotonirina na Rtoa Naika Eliane no hatolotra ho praiminisitra. Mitaky ny antsasaky ny toerana ao amin’ny CT sy ny CST ihany koa ny Ankolafy 3.Tsy mbola mifanaraka tsara kosa amin’ireo anarana atolotr’ireo vondrona politika hafa fa samy te hampiditra ny olony. Hifarana afaka 13 andro ny volana oktobra ary aorian’izay, araka ny nambaran’ny SADC no hotendrena izay ho praiminisitra. Ny jeneraly Camille Vital dia toa efa mampionon-tena ihany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ary efa mahafantatra fa tsy tafajanona eny Mahazoarivo intsony ny tenany ary niezaka ny nanatsara ny fifandraisany tamin’ireo iraka miaramilan’ny SADC.

Tsy nisy intsony koa ny valy bontana na teny tsy voahevitra manakiana ny SADC avy any amin’ireo mpanao politika izay azo adika avy hatrany fa efa milamina ny toe-draharaha ary samy efa mahafantatra ny seza ho azony ireo vondrona tsirairay avy. Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy dia Atoa Andry Rajoelina no tena voa mafy amin’ny fampiharana ilay sori-dalana satria tsy manana maro an’isa ao amin’ny governemanta sy ny parlemanta intsony tahaka ny hita amin’izao fotoana ireo vondrona politika miara-dia aminy, tafiditra ao anatin’ny tetezamita ihany koa ireo olona nenjehina sy nampitahorina nandritra ny telo taona, ary tsy misy intsony manomboka izao ny fanapahan-kevitr’olon-tokana na ankolafy tokana amin’ny fitantanana ny firenena fa dia teny ieran’ny rehetra foana vao manan-kery.

Vita hatreo izany ny fanjakan’ny FAT, nivalona hatreo ihany koa ny nofinofy hitondra fanovana samirery nimatimatesana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, satria tafaverina tsimoramora ao anatin’ny fitondrana tetezamita ireo naongana tamin’ny 2009 ary mivonona ny haka fitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana. Tsy tokony hisy intsony ny fiovana goavana na hoe fanitsiana indray ny sori-dalana fa fampiharana amin’izay izao no hirosoana. Na izany aza, mandeha ny resaka fa tsy hipetra-potsiny ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy fa mitady ny fomba rehetra hahazoana tombony ao anatin’ity rafitra tetezamita ity. Raha ny Ankolafy 3 mantsy no maro an’isa ao dia ho raharaha be ihany ary tena ho sarotra amin’ny filohan’ny FAT, izany hoe ho lasa filoham-pirenena voafidim-bahoaka araka ny nofinofiny izany. Aoka hazava ny resaka manomboka eto fa vita hatreo fanjakan’ankolafy tokana !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT