entin’ny mpitondra ankehitriny mitondra ny firenena sy miatrika vahoaka. Miha mivaona hatrany,
ka raha tokony ho arakaraka ny ny naha ela ny fitantanana ny firenena no hampivoatra sy mba hakana lesona manoloana ireo tsy mety natao tany aloha, dia toa vao mainka mandrisika azy ireo hampiakatra ambony kokoa ny daozin’ny hadalana. Ny fanitsakitsahana lalàna mitombo andro aman’alina, ny fitantanana ny firenena miharatsy hatrany hatrany satria miteny ho azy ireo tondro maro samihafa : tahan’ny fahantrana efa mitady hanafosafo ny 90% ; ny resaka hanohanana izao mipetraka ho faha-124 amin’ny 125 i Madagasikara ary izao aza dia misy olona 1,4 tapitrisa mila vonjy maika ; ny laza ratsy amin’ny trafikana harem-pirenena etsy sy eroa, ny tsy fangaraharaham-pitantanana amin’ny endriny maro. Izany ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Tsy finiavana hitanisa ny tsy mety sy ny tsikera, fa tena zava-doza no mahazo ny firenena. Tsy misy arofanina intsony ny Fanjakana ankehitriny fa tena manao izay danin’ny kibony satria ireo fahefana mpanao mpitsara toa feheziny sy baoikoany, ny fahefana mpanao lalàna nataony saribakoly ary mbola kasainy hatao befandraoka ho azy irery mba tsy hisy hanembatsembana azy amin’ny maha diavolana ny sainy. Dia io iaraha-mahita io, fa ny Filoham-pirenena mihitsy no maneho an-karihary fa tsy misy mahasakana azy amin’izay tiany hatao, na ny lalàmpanorenana aza. Hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena nampaneno lakolosy teo anatrehan’ny tsy fangaraharaham-pitantanana aza angatahiny hosoloina. Fitantanana inona no ho vanona ao anatin’ny Fanjakana tsy tan-dalàna ? Mbola izao ve no hiainana ao anatin’ny 5 taona dia hanantena fivoarana azony tsapain-tànana amin’ny fiainany ny olom-pirenena? Tena mila fifohazana sy fahatongavan-tsaina avy amin’ny olom-pirenena tsirairay satria voaviravira sy vitaviraina tanteraka ny firenena. Amin’ny politika dia eo ny mpamotika izay efa mihevi-tena ho tsy laitram-bala, fa ny tena fahadisoana dia ny olona mahita sy mahatsapa fa tsy mety izao ary mila fanovana kanefa minia miraviravy tànana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.