Edito

Vidin-tsolika Hiakatra tsy ho ela


  • Alatsinainy 30 Jona 2014

Handrasana amin’ity volana jolay ity ny fiakaran’ny vidin-tsolika, araka ny nambaran’ny minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ireo ketrika ara-paikady

Lalaharisaina Joeli Valérien. Raha ny fijery azy moa dia fandaharam-potoana efa maty paika ny hampiakatra azy ity aorian’ny fanamarihana ny 26 jona mba hitsinjovana ny fiatrehan’ny besinimaro am-pilaminana ny fetim-pirenena 2014. Tsy mbola fantatra mazava moa ny taham-piakarana raha tanjon’ny fitondram-panjakana kosa ny hamoaka ny tena vidin-tsolika marina mifanaraka amin’ny zava-misy manerantany. Ao anatin’ny 12 volana no hiezaka hanatratra tsikelikely ireo elanelan’ny vidin-tsolika tena izy ny firenena Malagasy, raha ny fanazavan’ny minisitra tompon’andraikitra. Nilaza ny tenany fa hisy ireo fepetra ampanarahana ny fampiakarana hisian’ny fahamarinan-toerana ara-bolan’ny mpanjifa. Efa nandinika ny fiatrehana izany ny departemanta ka vahaolana iray hita amin’izy io ny fijerena akaiky ny sehatry ny fitaterana. Ny zava-misy aloha hatreto dia 300 ariary sy 500 ariary ireo elanelana misy eo amin’ny vidin’ny lasantsy sy gazoala tena izy mihoatra amin’ny vidiny eny amin’ny toeram-pivarotan-tsolika.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT