Edito

Very tantara


  • Alatsinainy 26 Desambra 2016

“Raha vao very tantara dia ho ratsy fiafara”, hoy ny fampitandreman’ny mpandinika fiarahamonina iray izay.


Mahalasa saina izany teny izany manoloana ny toe-draharaha iainantsika eto amin’ny firenena ankehitriny. Inona sisa ny soatoavina sisa tsy very sy tsy voazimbazimba ? Vao omaly isika no nankalaza ny fetin’ny krismasy. Fety kristianina io nefa maro ny nikarakara sakafo metimety noho ny andavanandro omaly. Efa lasa toy ny fifanaraham-piarahamonina ho azy eto amintsika ny fety kristianina toy ireny satria ambetin-dresaka matetika ny hoe kristianina ny Malagasy. Raha ny foto-kevitra voizina ho anton’ny fety dia fotoana iray lehibe indrindra hamonjena izao tontolo izao io mba hialany amin’ny ratsy fanaony rehetra. Ny zava-nitranga anefa ny faran’ny herinandro teo dia hatramin’ireo tsy ampy taona aza saron’ny mpitandro ny filaminana nangalatra satria akaiky ny fety. Ireo mpanao halabotry moa tsy lazaina intsony. Efa manomboka miha very koa ny soatoavina raketin’ny tantaran’ny krismasy. Hifarana ity ny taona, tsy mbola tafapetraka ihany hatramin’izao ilay fampihavanana tena izy. Valo taona katroka amin’ny taona ho avy io no nikasana hametrahana izany, ankoatra ny efa novoizin’ny CRN hatramin’ny 2002, saingy tsy masaka ihany.

 

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT