Tamin’ny herinandro lasa ihany no nahafantarana fa efa maro ny Malagasy voan’ny aretina alzheimer.
Raha fintinina izy io dia fihenana na fahaverezan’ny fitadidiana tanteraka miampy fampifangaroana ny zava-misy sy mitranga. Ny olona tratran’ity aretina ity, ohatra, dia tsy mahay manavaka intsony ny andro sy ny alina, mampifangaro ny loko manga sy mainty, tsy mahafantatra tsara intsony ny anaran’ireo olona manodidina azy, ary manadino amin’ny ampahany na manadino tanteraka mihitsy ny zavatra noteneniny. Very tadidy izany raha tsorina ny resaka ! Tsy ny zokiolona ihany no mety voan’ny alzheimer fa ny tanora ihany koa. Dia lasa ihany ny fisainana eto hoe sao dia sanatria ary ka tratran’ity aretina ity ny filohan’ny FAT ka tsy mahatadidy intsony ny zavatra noteneniny, indrindra fa raha efa am-bolana maromaro no nanambarany zavatra iray. Tato anatin’ny roa taona mahery kely teo mantsy izay dia misimisy ihany ireo fanambarana miverimberina fa tsy arahana asa nataon’Atoa Andry Rajoelina. Ny tena malaza amin’ireny dia ny hoe : efa afa-nenina isika ka handray andraikitra amin’izay fa tsy azo ampiandrasina lava ny vahoaka Malagasy, tsy mivoaka an’i Madagasikara izany intsony ny fivoriana hamahana ny krizy fa dia ataon’ny samy Malagasy eto an-toerana. Taorian’i Maputo II efa tamin’ny taona 2009 no nanambara izany i Andry Rajoelina, taorian’izay anefa dia mbola nanaiky nandray anjara tamin’ireo karazana fivoriana nokarakarain’ny SADC ihany ny FAT sy ny mpiara-dia aminy. Nifanesisesy ny tany Pretoria, Windhoek, Gaborone, ary Atoa Rajoelina aza dia efa nidodododo nitety firenena Afrikanina nandresy lahatra mba hanohana sy hanaiky azy.
Ary ny mpanelanelan’ny SADC sasany aza moa dia lasa tahaka ny zanaka an-tranon’izao fitondrana tetezamita izao. Raha miditra amin’ny dingana hafa ny fanelanelanan’ny SADC amin’ny alalan’ny Troika amin’izao fotoana dia io fa milaza indray ny filohan’ny FAT fa atao amin’ny zoma, hono, ny sonian’ny sori-dalana, ka tsy miandry izay tsy mazoto izany fa tsy maintsy vitaina satria efa enim-bolana no niandrasana izao fotoana izao. Afaka adidy ny fitondrana tetezamita, hoy izy ary dia hiroso ny dia fa tsy afaka hiandry lava ny Vahoaka malagasy. “Filma efa nandeha izany !”, hoy ireo mpanara-baovao ary efa tsy manaitra sy tsy mahagaga ity. Tena very tadidy ka tsy mahafantatra intsony zavatra nambara ve sa manao don-tandroka indray tahaka ny efa mahazatra hatramin’izay ? Maro ihany mantsy izay fanambarana natao teto izay saingy tsy hita izay tena lanjany sy asa naterany taty aoriana.
Miavonavona amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny Ankolafy 3 ny FAT kanefa toa manaraka ihany ny fanelanelanan’ny SADC, fifanarahan’i Maputo amin’ny endriny vaovao ihany anefa no zava-misy amin’zao fotoana, iaraha-mitantana ny tetezamita, avoaka ny gadra politika rehetra, atao ny fampihavanam-pirenena ary afaka mody an-tanindrazana Atoa isany Ratsiraka sy Ravalomanana. Dia hamorona zavatra hafa inona indray ny FAT mba hialana bala sy hamadihana ny raharaha ho amin’izay mahamety azy ? Efa mibaribary ihany koa izao fa ao ambadiky ny FAT ny Frantsay ary mikaroka ny fomba rehetra hahazoany tombony. Dia sanatria ve efa adinon’ny mpitondra ankehitriny koa fa 100 taona latsaka kely anie no nanandevo sy nanararaotra ny Malagasy ny Frantsay ary efa nitroka sy nigalabona tamin’ny harena rehetra nisy teto e ? Tsy mahay tsara ny tantara ve sa misy very tadidy sa tena tsy miraharaha tsotra izao izay nitranga sy hitranga fa mandray baiko fotsiny ? Mampalahelo ihany raha tahaka izany, ka sanatria very tadidy na mody fanina na tia tena, na tsy tompon’ny fanapahan-keviny no hitantana ity Madagasikara ity, ary raha izao no mitohy dia ho very eto isika mianakavy !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.