Edito

Very rano


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Io ary fa mipoitra tsikelikely tokoa ilay efa nahiana. Na ara-bakiteny izao na ara-tandindona sy sarinteny dia ilay fanontaniana efa napetraka teto amin’ny gazety volana maro lasa hoe “ndrao velirano hahavery rano no hitranga ?”

 

 

 

 no hita ho mitady hivaly tsikelikely. Efa nampatsiahivina foana fa saropady amin’ny Malagasy io kolontsaina momba ny rano io satria tandindon’ny aina. Nalaza ny tsodrano izay nampiasaina tamin’ny tsy tokony ho izy tamin’ny taona 2009. Ankehitriny dia hoe velirano indray. Nanomboka ny 19 janoary izay fotoam-pianianan’ny filoham-pirenena hatramin’ny omaly dia nisy rano very, izany hoe aina nafoy noho ny fihotsahan’ny tany teo akaikin’I Mahamasina teo. Mahalasa saina foana ny hoe fa maninona ary isika Malagasy no very rano hatrany isaky ny nisy fianianana nataona filoham-pirenena vaovao tato ho ato izay ? Izay ny ara-tsarinteny sy ny ara-tandindona fa very rano ara-bakiteny koa isika amin’izao fotoana izao hatrany amin’ireo faritra sy morontsiraka. Dobo sahady ny any Nosy be mandalo an’i Sambava ka hatrany Mahajanga. Rano very fotsiny tsy azo atao na inona na inona toy ilay ranon’ny Jirama niloko mavo tao ho ao ireny rehetra ireny. Asa na tsapantsika mpanara-baovao nahita ny zava-niseho teto amin’ny firenena tato ho ato ny lanjan’ny atao hoe fianianana na velirano na voady na dina sy izay mety ho fifanarahana miezinezina atao hampifandray ny lanitra sy ny tany fa misy fiantraikany ratsy tokoa rehefa atao kitoatoa. Tsy resaka finoanoam-poana ary mety tsy misy hifandraisany loatra amin’izay resaka finoana izay mihitsy akory aza fa tonga amin’ilay fitenenana kosa hoe “masina ny teny ka tsy azo zimbazimbaina.”. Dia ho fifanandrifian-javatra ve na andro miditra araka ny fomba filaza azy fotsiny izao zava-mitranga manerana ny nosy izao ? Fa maninona tokoa moa no miakatra ny vato any amin’ny morontsiraka fa ny aty an-drenivohitra mikodia sy mitady hikodia daholo ? Heverina fa misy dikany avokoa ireo tranga ara-boajanahary miseho eto amin’ny firenena sahady amin’izao fotoana izao. Asa na izao tokoa angamba no tonga amin’ilay nambarana mpitsara iraisam-pirenena iray izay hoe : “manana ny heviny Andriamanitra”.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT