Edito

Very ny fifamelomana


  • Zoma 09 Aprily 2021

Isan’andro, efa hila tsy ho voatanisa ireo marary sy lavon’ity areti-mandoza ity eny anivon’ny fiarahamonina eny.

 Miezaka miaro tena ireo mbola tsy voa. Mitsabo tena kosa ireo marary ary fanontaniana mety azo apetraka ao anatin’izao krizy ara-pahasalamana izao ny hoe isan’ny azo lazaina ho toe-javatra miabo ihany na dia anaty areti-mandripaka aza ve ankehitriny ny fiverenan’ny Malagasy an-doharano mikasika izay tontolon’ny fitsaboana izay? Tsy mifidy saranga intsony amin’izao fotoana izao ny fividianana ireo raokandro sy ady gasy samihafa toy ny kininim-potsy, ny ravintsara, ny mandravasarotra sy ny sakaizany rehetra raha toa ka voatsaratsaran’ny fiarahamonina matetika ho somary hafahafa teo aloha teo ny karazana Malagasy nanao izany. Malaza koa moa izao ity “Ed” ity saingy eo ankehitriny no mbola ahitana ny lesoka sy tranga mampalahelo amin’ny fahapotehan’ny fiarahamonina Malagasy. Mampivarahontsana ny mahita ireo sarin’olona toa fianakaviana iray mihitsy mamokatra vokatra hosoka azy ity. Ilay soatoavina isan’ny tena nanan-danja teto hatramin’izay mihitsy indray no lasa very na dia miha miverina aza ny faharesen-dahatra amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ireo vokatry ny tany. Very ny fifamelomana fa mitombo ny endrika fifamonoana isan-karazany na dia nalaza ho tompon’ny fihavanana aza izany Malagasy izany. Ny olana amin’ny sehatra hafa ankoatry ny fahasalamana koa anefa mitombo sy tsy hitan’ny fitondrana mijoro mihitsy hatreto izay hitsaboana azy. Miandry ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT