Edito

Very lalan-kombana


  • Alakamisy 19 Novambra 2020

Vory vahoaka tsy nisy toy izany ny faritra maro teto Madagasikara tamin’iny herinandro iny.

 

 

 Ekena tokoa fa nofoanana ny hahamehana ara-pahasalamana saingy tsy diso angamba ny fitadidiana raha mahatsiahy fa toa mbola tsy nofoanana kosa ireo fepetra toy ny elanelana 1 metatra, ny tsy fahazoana mamory olona mihoatra ny 200 isa, ny fanaovana arotava. Raha mijery ny zava-misy niainana tao anatin’izay herinandro izay anefa dia fara fahakeliny gaga. Very lalan-kombana tanteraka satria tsy hita intsony izay fahefana mpanatanteraka natao ho toavin-teny. Na ny filoham-pirenena aza toa mijery fotsiny nanoloana azy ireny. Ny tompon’andraikitry ny kolontsaina aza moa dia nanda ho tsy tomponandraikitra tamin’ilay hetsika ara-kolontsaina iray izay. Tsy hita intsony izay rafitra sy lalana ary fitsipika tena tokony harahana eto amin’ity firenena ity na dia ao anatin’izao toe-draharaha izao fotsiny aza. Ireny hiaraha-mahita matetika ireny koa ny ohatra omen’ireo olom-boafidy. Adihevitra tokony “hikatsahana ny soa ho an’ny vahoaka” kanefa dia miafara amin’ny totohondry sy fikasihan-tanana na endrika herisetra amin’ny endriny maro loko. Ireny hatrany ve no ohatra omena ireto vahoaka mbola valalabemandry ny ankamaroany? Misy fampandrosoana azo antenaina amin’ny tokony ho maodely eto kanefa ireny aza ve no sary asehony isan’andro?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT