Edito

Very finoana


  • Alarobia 24 Mey 2023

Very finoana amin’ny endriny maro samihafa ankehitriny ny ankamaroan’ny malagasy manoloana ny tranga rehetra misy eto amin’ity firenena ity.

Ao moa izany ireo zary tsy mino intsony fa mety mbola ho avy arak’ilay hiran’ny depiote iray izay ihany ilay maraina vao ho an’i Gasikara. Tsy nisy afa-tsy tahana tsy fahatomombanana mitombo tsinona no saika heno isan’andro. Eo ny filazana hoe mahantra ny manodidina ny 90%n’ny malagasy. Very laharana miisa 44 ny toeran’ny fahalalahana maneho hevitra sy manao gazety. Vato fototra aza tsy mitsangana nefa fotodrafitrasa handraisana manontolo ny lalaon’ny nosy no nampanantenaina. Izaho dia malaza koa hoe naneho ny hatezerany ny departemanta sasany mandray anjara amin’ny lalao satria dia hoe tsy ny saina tokony hisalorany naranty tanaty horonantsarin’ny hira faneva, tsy nankasitrahan’ny sasany ny filaharan’ireo saina mandray anjara, tsy ankasitrahan’ny hafa koa ny fanafoanana ireo taranja mba efa niomanany fatratra ary na isika eto Madagasikara aza dia iaraha-mahalala fa maro taranja lasibatr’izany. Efa lany vola sy fotoana ary hery niakarana teto Antananarivo mihitsy kanefa dia hoe tsy isan’ny mandray anjara ny taranja iangalianareo. Mafy izany ary mampametra-panontaniana hoe mba hisy ve, fara faha ratsiny, fanonerana ny lanin’ireny atleta sy tomponandraikitra mba efa niomana fatratra tamin’ny fiarovana ny voninahi-pireneny nefa tsy navela ireny? Eo ny tsy fahombiazana ara-pitantanana fa eo koa ny fahafaham-baraka amin’ny endriny maro raha tsy hitanisa afa-tsy ny volamena nivadika vy, ny «bonbon sucette», ny «ecran plat», ny depiote misikotr’orona olona na manao teny tsy voahevitra sy ny maro hafa ary eo moa izany no mahatonga ny mpanara-baovao maro ho lasa saina hoe ndrao dia resaka mody mitapy, araka ny fitenin’ny tanora, na hoe sinema izy ity. Sao dia sinema samy ifanaovan’ny samy mpanao politika hatramin’ny hoe mody mifanohitra koa aza! Tsy mino intsony ny ambalambahoaka ary izay no ilazana hoe efa very finoana ny ankamaroantsika io. Na ny filohan’ny antenimieram-pirenena aza omaly toa tahaka ny mailo izany hoe sao dia tsy inoan’ny olona eo indray fa aleo dia lazaina avy hatrany fa tsy sinema izy ity? Dia misy olompirenena mamaly moa nanoloana izany hoe angaha moa vao sambany no nanaovanareo ohatran’izao? Maha lasa saina ihany hoe inona moa izany no azo ilazana firenena toa izany? Tsy vitan’ny hoe tsy mifampatoky intsony ny vahoaka ao aminy fa toa tsy mifampino intsony mihitsy? Ahoana ny hanarenana an’izany? Toa miantso ny tsikalampiheritretana sy fahatsapan-tenan’ny rehetra!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT