Very fanahy mbola velona!

Mbola niverina nanazava ny efa voazavan’ny hafa talohany ihany ireny


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

farany teo, ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Constant Raveloson,

fa ny praiminisitra ankehitriny no tena mibaiko ny raharaham-pirenena fa tsy ny filoham-pirenena. Ny praiminisitra moa, hoy izy, no tena lehibe. Zava-baovao vao heno androany angaha moa izany? Tsy efa izany foana ve moa no nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao maro tao anatin’izay governemanta in-5 navadibadika tao anatin’ny fitantanan’ity praiminisitra ity izay? Tsy efa taratra hatry ny ela ve moa izany? Ny tena heverina ho mampametra-panontaniana aza angamba dia ny hoe iza no tena mibaiko sy mampandray fanapahan-kevitra mahatonga ny firenena ho mbola latsaka an-katerena anaty fahantrana hatramin’izao? Ny azo ambara angamba ary efa matetika heno niverimberina ihany koa dia ny hoe very fanahy mbola velona ankehitriny ny malagasy! Very tsinjodia na «repère» ny tanora, hoy ny mpandraharaha vao nitsidika ny tanindrazany tsy ela izay. Mivezivezy ny fanahy satria noana ara-bakiteny ny vatan’ny malagasy maro an’isa. Mbola lavitra ezaka ny ady hahatongavana amin’ny antsoina hoe asa mendrika sady mahavelona, hoy ry zareo sendikalista. Marary ny lafiny toekarena, ny lafiny sosialy, ny ara-kolontsaina, ny fanatanjahantena, ny tontolo iainana. Tsy misy izay tsy ahenoina olana goavana ny isan-tsehatra ankehitriny, raha Madagasikara no resaka. May ny tanety, izay sady vakoka fiveloman’ny faritra any Isalo sy ny manodidina. May ny valan-javaboary isan-karazana. Miondrana an-tsokosoko ny biby tokony harovana satria ahiana ho lany tamingana. Tsy misy tohiny daholo nefa ny resaka na hatrany amin’ny resaka andramena tamin’ny tetezamita io na mandra-pahatonga aty amin’ny volamena nivadika vy sy ny tariny taty. Tsy vitan’ny hoe nandeha irery fotsiny ilay olana isan-tsehatra fa araka izany fisehon’ny sasany aminy izany dia anaty tranga tokana dia efa mamotika ny sady lafiny ara-tontolo iainana no toekarena no fizahantany no kolontsaina sy ny tariny rehetra. Maha very fanahy mbola velona!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT