Edito

Very fanahy mbola velona…


  • Talata 28 Aprily 2020

Mbola baraingo tanteraka ny ho tohin’ny toe-draharaha iainan’ny firenena ankehitriny. Iraisana amin’izao tontolo izao ny krizy ara-pahasalamana, izay mbola baraingo tanteraka no hiafarany tanteraka.

 

Amin’ny lafiny iray, dia toa maivana ny zava-misy raha fihetsika sy ny serasera asehon’ny fanjakana no zohiana. Efa eto amintsika ny tambavy ambara fa misoroka sy efa nolazaina aza tany aloha fa mahasitrana ilay areti-mandripaka mahavalalanina izao tontolo izao. I Madagasikara no ho ilay Mesia hanavotra ny planeta tany, raha dinihina amin’ny seraseran’ny fitondram-panjakana Malagasy. Zava-dehibe ary mendri-piderana aloha ny fanehoana hambopom-pirenena sy fanandratana ilay maha izy azy ny firenentsika amin’ny alalan’ity voka-pikarohana ity. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia hoe tena atidoha Malagasy ve sa nampiasaina ny anaran’ny sampan-pikarohana Malagasy mba hahamora ny serasera ara-barotra? Toa ampandriana ny sain’ny valalabemandry fa dia izao tontolo izao aza hovonjena, mainka fa ny vahoaka Malagasy. Indrisy anefa fa raha ny tapim-bava sy ny tambavy aloha, dia azo antoka ny mety ahazoan’ny isam-batan’olona. Mety masiaka loatra ny fitenenana raha hilaza hoe: tambavy sy tapim-bava angaha mahavoky? Raha ny tena fiahiana ny Malagasy ao anatin’izao vanim-potoana mangidy izao kosa, dia zara raha misy 5% angamba no voatsinjo, fa ny serasera amin’izany no manaka-danitra mety ho 200%. Mitaintaina sy very fanahy mbola velona ny rehetra hoe: ahoana ihany no hiafarana. Rahoviana vao hivaha ny olana? Inona no ho fiantraikan’ny krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy aorian’izao. Ny valanaretina tsy maintsy ho foana ihany na ho ela na ho haingana. Ho sangany aty Afrika i Madagasikara no tanjona, ka ny hirariana dia ny fialana amin’ny gejan’ny tsy fahampiana sy ny fahasahiranana na koa ny hanohanana no hisantarana an’izany, fa tsy sanatria ho sangany noho ny kabary politika sy fampalazana tena mba ho fantatr’izaao tontolo izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT