Very fanahy mbola velona ankehitriny ny valalabemandry manoloanana resaka tambavy. Miha mitombo andro aman’andro ny ahiahy ho an’ireo mitohy manadihady.
Misy moa ireo avy hatrany dia mahatoky ny vokatra. Tsy ho resahana firy satria izy ireo aza moa izany efa manaiky. Misy koa anefa ireo mahatsiaro ho tsy manam-pidiny satria voambolana nalaza heno voalohany mikasika ny fandraisana azy io ny teny hoe “tsy maintsy”. Na dia nisy aza ny filazana tampoka taty aoriana hoe tsy voatery dia efa ilay hoe tsy maintsy aloha no voatahiry amparahatoka nialoha. Teo ny fanazavan’ny mpandinika hoe raha tsy politika no nandeha nialoha tamin’ny filazana tamin’ny fomba ofisialy ny vaovao dia foana ho azy ny ady hevitra maro toy izay mitranga ankehitriny. Raha ny fikarohana momban’ny vokatra ihany no nampiahiahy ireo tsy nino teo aloha dia lasa mampiady hevitra koa amin’izao fotoana izao ny amin’ny hoe tena ny IMRA tokoa ve no namokatra ny vokatra? Ny sasany moa dia misy sahy milaza mihitsy fa ilay vakisiny nampitandremana an’I Afrika efa ela io ary nanome alalana ny fitsinjarana azy ihany ny OMS fa an-kolaka. Santionany amin’ny ady hevitra lasa mipetraka izany ankehitriny ary inona moa no antony fa dia vokatry ny tsy faharesen-dahatry ny mpanara-baovao manoloana ireo fanjavozavoan’ny anton’ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana. Ny filoham-pirenena mihitsy anefa no nampanantena fa hampiaina mangarahara ny vahoakany ao anatin’izao raharaha izao saingy matoa maro toy izany ny fanontaniana mipetraka dia tsy tafapetraka toy izany koa, araka izany, izay mangarahara nolazaina fa apetraka izay. Ny ahiahy tsy hihavanana, hoy ny Ntaolo. Ny hevitra tsy azo no mampihazohazo ary ny teny tsy nomena no mampihenahena. Dia tena sarotra ve no mamaly na fara-faharatsiny manome fanazavana mahafa-po mikasika ireo teboka mampisavorovoro ny sain’ireo te ho olompirenena mandray andraikitra toy ny hoe avy aiza ny famatsiam-bola ahafahana mamokatra ireo fanafody kanefa tsy eken’ny sampan-draharaha iraisampirenena tokony hisahana azy ny vokatra? Inona no tena antony hanafenana ireo kasinga hafa ankoatran’ilay tena fototra? Fikarohana tokoa ve sa torohevitra no fandraisan’anjaran’ilay orinasa ireharehana ao anatin’ity vokatra ity?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.