Edito

Very fanahy


  • Talata 01 Martsa 2016

Mety misy ny olona manamaivana ny resaka ara-panahy kanefa ny fanahy no maha olona, hoy ny Malagasy.


 Tsikaritra tato anatin’ny fito taona izay fa manomboka mitombo isa ny Malagasy tsy manam-panahy intsony, mandeha amin’ny mokon-doha sy ny fiheverana fa mahay fotsiny fa tsy misy fandinihan-tena intsony. Lasa efa tsy mampaninona ny Malagasy sasany intsony izao ny maniratsira ray aman-dreny, manompa olom-pady, mitanjaka imasom-bahoaka, mamadika tsotra izao ny fianakaviana noho ny tombontsoa ara-bola, mamono ny namana noho ny fialonana, manolana zazakely …Maro be ny faharatsiana hita eto amintsika ka mahatonga ny fanontaniana hipetraka hoe efa tena very fanahy mihitsy ve izany ny Malagasy sa andevozin’ny fanahy maloto ? Satria zavatra tsy fahita tao anatin’ny fiarahamonina hatrizay no indro mitranga sy miha mahazo vahana. Ary ny tena mampihoron-koditra dia miha manaiky tsikelikely io faharatsiana sy fahalovana io ny firahamonina ary tena vitsy mba tsy hitenenana hoe tsy misy ny olona sahy mijoro manohitra izany sy miezaka manokatra ny masom-panahin’ny mpiray tanindrazana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT