Edito

Very andry iankinana


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Mahatsiaro very andry iankinana ankehitriny ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy manoloana ny toe-draharaham-pirenena.

Ny ray aman-drenin’ny mpianatra miady saina sahady hoe hanao ahoana ny hoavin-janany? Ao ireo velom-panontaniana hoe mbola mety afaka hampiana-janaka ve amin’io taona hoavy io manoloana ity fidangan’ny vidin’ny fitaovam-pianarana sy saram-pidirana an-tsekoly? Ny tsy afa-nampiana-janaka teo moa izany dia vao may miha kivy. Manambana hampiakatra saran-dalana hatramin’ny avo roa heny koa io ny mpitatitra. Niakatra ny karama. 25% fara fahabetsany saingy niara-niakatra tamin’izany koa ve ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka manoloana ity fidangan’ny vidim-piainana hita ho 50% fara fahakeliny? 75% izao no malagasy mbola miaina anaty fahantrana lalina fa azo antoka ampihena an’io tarehimarika io ve ny fomba fitantanana amin’izao fotoana izao sa sanatria vao mainka hampiakatra izany. 5%n’ny malagasy eo no mpiasam-panjakana. hatramin’ny oviana ny fiahiana ny sehatra tsy miankina ary azo antoka fa ho voahefan’ny fanjakana tokoa ve ilay 15% hanampiana ny karaman’izy ireo? Tena ho voatsinjo ao anatin’izao fepetra noraisina izao ve ny 95% fara fahakelin’ny malagasy izay tsy mpiasam-panjakana fa ankoatran’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina dia na mpiasa tena na tantsaha na tsy an’asa sy ny maro hafa? Aiza ny famoronana asa maharitra sy ny politika hanondrotra ny fahefa-mividin’ny rehetra miaraka amin’ny antoka hahatsara ny hoaviny fa tsy fitaintainana lava mikasika ny retiretiny sy ny faharetan’ny tany na trano onenany ankehitiny mihitsy ?

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT