Edito

Verezin’ny tao afara


  • Alakamisy 14 Martsa 2019

Mainty ny ho avin’i Madagasikara, hoy ilay mpanao politika iray izay. Fehezanteny tsotra sady tsy mahafaly ny maheno izany kanefa toa maha lasa heritreritra ihany hoe fa maninona no mbola tsy ampy 60 andro akory no nitoeran’izao fitondrana izao dia efa izany sahady no

 

 

famehazan’ireo raiamandreny ny loza mananontanona ity nosy ity. Ireo firenena nitsiriritra antsika rehetra teo aloha aza tsy vitsy amin’izy ireny no lasa fitsiriritrantsika indray ankehitriny. Izany no tena tonga amin’ilay fitenena hoe verezin’ny tao afara. Hatramin’ny nosy Maorisy avy aza no mampirehareha antsika fa hamatsy vola ny fitondrana. Nireharehana anefa teo aloha fa tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany ny fampandrosoana ary efa hatramin’ny tetezamita farany teo izany teny izany no nanakoako. Mbola sahin’ilay filoham-panjakana tamin’izany izay filoham-pirenena ankehitriny ihany no mamerina azy. Nasiany fanamarinana mihitsy aza moa hoe isika indray no hampindram-bola an’i Kaomoro atsy ho atsy. Asa moa io ao aoriana kely lazaina ion a rahoviana marina. Ho avy tsy ho ela toy ny tramway ve? Tonga dia maro no tsy misalasala mamaly hoe mbola ho lavitry ny afo ny kitay. Na tsy hiala lavitra antsika sy ireo nosy rahavavy fotsiny aza ny dinika dia efa toy ny tongom-bakivaky sady marary no maha menatra, hoy ny filazan’ny Ntaolon-drazantsika azy. Mba saika niray tantara sy naka filamatra antsika daholo ihany ireo raha iverenana ny zava-nisy tany aloha tany. Inona moa no nahatonga ilay anaran-tendrombohitra hoe “Mahafat” raha tsy ny teny Malagasy hoe “Mahafaty”? Ao amin’ny nosy rahavavy La Réunion anefa no misy an’izany toerana izany. Anarany isika mba isan’ireo tafala aloha indrindra tao anatin’ny vondrom-bola franc CFA izay natokana ho an’ireo zanatany frantsay aty afrika saingy moa ve izany nisy ozany taty amin’ny toekarentsika? Samy mahay mamaly izay fanontaniana izay daholo angamba! Mandeha ny fotoana ary maika ny fampandrosoana hoy ny filoham-pirenena. Tena marina io voalaza io. Isika rehetra, hono, no miara-manavotra an’i Madagasikara. Fanontaniana mipetraka anefa dia hoe afaka mandray anjara amin’ny fampadrosoana ve ny vahoaka raha toa ka tompon-trano mihono lava izao amin’ny fanapahan-kevitrao? Anjarany kosa amin’iny no miheritreritra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT