Tsy vao izao akory no nandrenesana fandrebirebena saim-bahoaka. Raha ny zava-mitranga ankehitriny kosa dia efa tsy mijanona eo amin’izay intsony no hita rehefa tena manaraka ny fandehan’ny vaovao rehetra avy eto an-toerana fa verezina tanteraka sy dontoina anaty fahantrana mihitsy ilay vahoaka kely miha safotry ny fahantrana andro aman’alina.
Na ilay fifidianana ho avy hany sisa heverina fa mba hahafahany mitondra anjara biriky hanavotany ny fireneny aza ity toa mitady hongotana aminy koa. Verezina amina resaka tsy mitondra mankaiza intsony ny valalabemandry mba tsy hahafahany miatrika am-pitoniana io tokony ho vanim-potoana goavana hanan-danja eo amin’ny maha olom-pirenena azy io. Inona intsony tokoa moa no mbola antony hiadian-kevitra momba ny lalàmpanorenana rehefa tsy vita tany am-piandohana ? Tsy efa tokony ho ny fampahafantarana amin’ny maro ny tetiandrom-pifidianana ve izao no tokony ho vain-dohan-draharaha miampy ny fampahafantarana azy amin’ny antsipirihany izay tokony hataony amin’ny fiomanana sy fiatrehana izany ? Mbola fotoana hiadian-kevitra mikasika lalàna ve izao na lalàmpanorenana na lalàm-pifidianana ? Sao dia tokony hampangarahara ny zava-drehetra mandritry ny fifidianana fotsiny izao amin’izay no himasoana fa amin’ny manaraka manatsara izay hita ho mbola ratsy mba tsy verezina amina resaka mandany jiro fa herezina amina hetsika mahasoa azy ny vahoaka !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.