Edito

Velom-panantenana i Dada Nitsidika azy tany Antsiranana ny SADC


  • Zoma 14 Novambra 2014

Nidina tany Antsiranana nijery imaso ny toerana igiazan’ny fitondram-panjakana ny filoha Marc Ravalomanana ao amin’ny Amirauté omaly atoandro ny delegasiona miisa dimy avy amin’ny Troika SADC.

Fiaramanidina manokana no nitondra azy ireo tany. Naharitra ora iray sy sasany teo ny fihaonan’ny roa tonta, fihaonana izay tsy azon’ny mpanao gazety natrehina. Tsy nisy ihany koa ny fanambarana nataon’ny delegasiona taorian’ny fitsidihana, ankoatra ny fanamarihana fohy nentin’izy ireo fa «tsy misy ahiana ny fiarovana ny ain’ny filoha Marc Ravalomanana ary matanjaka tsara izy». Re tsiliantsofina ihany anefa fa dia nizotra tao anatin’ny fifanajana sy firahalahiana ny fihaonana ary “velom-panantenana amin’ny tohin’ny dinika ny filoha Marc Ravalomanana», ity farany izay efa iray volana katroka izao no nitazonana azy amin’ny toerana arahi-maso manokana any Antsiranana. Ho fantatra misimisy kokoa mandritra ny fihaonana amin’ny mpanao gazety hataon’ireo iraky ny Troika SADC anio ny akon’ny dian’izy ireo teto sy ny ho tohin’ny iraka notontosain’izy ireo teto taorian’ny fihaonana tamin’ireo lehiben’ny andrimpanjakana samihafa sy ireo filoham-pirenena voafidim-bahoaka telo teo aloha sy ny am-perinasa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT