Edito

Velom-bolo indray a !


  • Alarobia 01 Febroary 2017

Vita marina ny fety sy ny fialantsasatra fa dia efa niverina an-kianja tokoa ny ankamaroan’ireo mpanao politika.

Na ny tsy reo feo am-bolana maro aza dia efa nanomboka naneno ary efa hidridroka indray ato ho ato. Tena fanombohan’ny taom-panaovana politika marina ve sa drafitra efa voalamina tamin’ny faramparan’ny taona ? Tsikaritra ho nangina na niteny ihany saingy tsy nisy mpihaino na mpanaraka firy mantsy ireo tsy mankasitraka ny fitondrana manga kravaty ny faramparan’ny 2016 teo, toa nandamoka daholo izay hetsika natao, ireo mpitarika sendikaly noheverina fa hanova zavatra nipirina ary tsy re tsaika intsony hatreto aloha. Nisinisy ihany ny taim-bava fa maivana be ny fampiharana, ny mpitondra indray aza avy eo no nidehaka fa hoe miala any ny famatsiam-bola be vata 10 miliara dolara…Tsy manga arak’ilay kravaty anefa ny lanitra amin’ny fivoahan’io bolongam-bola be io, ry zareo vazaha koa moa mahay miresaka izay ihany. Tsy azo odian-tsy hita fa niova ihany koa ny fifandraisana iraisam-pirenena taorian’ny fifidianana tany Etazonia sy ny fiovan-drafitra manomboka hita soritra any Eoropa. Karazan’ny miandry vasoka ihany ny mpitondra Malagasy raha manantena vola hitobaka eo, ka asa hoe izay ve no mahatonga ny mpanohitra velom-bolo io indray. Dia hanao inona anefa ? Hahavita fahagagana hanatsara ny fiainan-dramalagasy koa ve sa manao vavan’ny te hahazo seza fotsiny ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT