Mazava sy tsy miolaka ny tenin’ny eny an-kianja, fa tsy misy vahaolana afatsy ny fialan’ny filoha. Miantefa any amin’ny fitondrana io, ary mipaka any amin’ny mpanelanelana ihany koa, fa tsy hifampiraharaha sy hifampiresaka amin’ny mpamono olona, hoy ny depioten’ny fanovana.
Fomba fitenin-dRamalagasy ihany koa anefa ny hoe ny hisavorovoroan-kilantoana, na koa hoe tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Teny tsy azo ivalozana anefa ireny, ary efa velirano natao tamin’ny vahoaka, ka toa karazan’ny tonga amin’ilay hoe : « veliranom-bazimba izy ity, ka izay mivadika aloha kely ila ». Samy ho eto foana isika, ary hotsarain’ny tantara eto na hitazona ny teny nomeny tokoa ireto mpitari-tolona sokajian’ny maro ho mahery fo sy hitondra fanovana amin’ny fomba fanaovana politika eto amin’ny firenena ireto na tsia. Mety ho tonga any amin’ny fifampiresahana sy ny fifampidinihina tokoa, saingy mazava ny fepetra, dia ny hoe miala eo amin’ny toerany aloha ny filoha sy ny governemanta efa ambaran’ny depiote sasany fa « fanjakana dahalo », ka tsy hifampiraharaha amin’ny dahalo velively izany, raha tsorina ny resaka. Aiza ny ankilany amin’izany ? Manaiky matoa tsy miteny sa kosa mihevitra ny mbola hikaro-kevitra hanaovana tsipaky ny miala aina ? Raha mpitondra nanao ny mety kosa angamba mba misy vahoaka sahy mijoro mivantana miaro ankitsim-po tsy mila tambazam-bola e ! Misy vahoaka tsy menatra sy mirehareha amin’ny fananany mpitondra hitany fa mendrika, saingy indrisy fa ny ankizikely tany an-tsekoly tsy mahalala akory izay politika sisa no nasaina nilanja sora-baventy tany atsimotsimo tany. Raha tena vonona sy mahatoky valera ve tsy mba efa nanana hambom-po hoe andao tokoa ary atao madio ny lalao dia alefa ny fifaninana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.