Edito

Velirano very sahady


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Betsaka ny fanehoan-kevitra avy amin’ny olom-pirenena, mpanao politika, mpitondra fivavahana, mpandraharaha, rehefa mety ho malagasy mikasika ny toetra tokony hananan’ny filoham-pirenena.

 Ao, ohatra, ny hoe manampahaizana, olon’Andriamanitra, tsy mamita-bahoaka, manaja ny teny nomeny. Maro amin’ireo kandida mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ireo no milaza ny hanarina ifotony an’i Madagasikara ary misy amin’izy ireo aza ny manao velirano mihitsy fa raha tsy vitany ny laharam-pahamehana amin’ny fandaharan’asany rehefa tahiany ka izy no lany eo dia tonga izy dia miala eo amin’ny toerany. Misy kosa ireo tsy mampanantena fialana fa dia sazin’izy ireny kosa raha mamita-bahoaka noho ny velirano nataony dia ny tody. Misy koa anefa ireo tena manao tsinontsinona ireo vahoaka sarihany hifidy azy sy manao tsinontsinona ny soatoaviny ihany koa ary inoana sy antenaina fa ho very sahady ny velirano hataony satria na ny dikan’io teny io aza tsy nohalalininy akory. Raha nanatontosa velirano ny Ntaolo malagasy fahiny dia tena velesina mihitsy ny rano eny an-tsampandrano eny ary ny zavatra hampanantenaina amin’ny olona anaovany velirano dia atao mazava tsara fa tsy manjavozavo, hoy ny lovantsofina. Rehefa miresaka fampandrosoana ny fahasalamana, ohatra, dia faritana mihitsy ikay hohatsaraina amin’io tontolo io. Toy izany koa ny toekarena, ny sosialy, ny politika sy ny hafa rehetra. Anjaran’ny rehetra, araka izany, no mandinika izay tsy mbola very velirano amin’ireo 36 mianadahy ireo.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT