Edito

Velirano sa vely kanota ?


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Velirano amin’ny fanatanterahana ny programan’asa samihafa ambara fa hoenti-mampandroso ny firenena no nilokalokan’ny Fanjakana ankehitriny.

 

 

 Toa mivadika ho vely kanota miantefa any amin’ireo tsy mitovy firehan-kevitra no laharam-pahamehana. Mandeha ny kajikajy politika amin’ny endriny maro: fanakatonana orinasa, fifehezana ny haino aman-jery, fanararaotana ny fahamehana,… Mahazo ny anjarany izay heverina fa mpifanandrina aminy. Eo ny Filoha teo aloha nifaninana taminy, fa io ihany koa fa toa miainga ny anjaran’ny antoko iray, izay manana ny maro an’isa amina andrim-panjakana iray. Toa ketrehina ny hanaisorana ny fahefana eo am-pelantanan’ireo taorian’ny karazana fahirano natao an’io andrim-panjakana io. Somary nahery vaika rahateo ny fanehoan-kevitry ny Filohan’izany andrim-panjakana izany tato ho ato. Toa lany andro manenjika ireo ambara fa efa resiny. Hatramin’izao dia mbola ao anatin’ny fanamafisana ny fahefana, hany ka toa miezaka mafy mamotika ireo heverina fa mpifanandrina na efa ho roa taona aza izay no nahavitan’ny fifidianana. Maro ny velirano nampanantenaina, ka sao dia ho lany andro manenjika ireo ambara fa “toujours afara”? Efa ireny iaraha-mahita sy maheno ireny ny fanehoan-kevitra momba ny fisiana fahadisoana politika ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao, saingy tsy mahataitra ny Fanjakana. Iny niaraha-naheno iny ny fahenoan-kevitry ny Parlemantera iray olon’ny fitondrana, toa efa miantso ny mpitondra ho tonga saina, izay efa karazana anjomara. Mikorontana ny fitantanana: aferafera mahasaringotra olona ambony, tompon’andraikitra ambony manondrana,… hany ka toa lany andro mamono afo, kanefa mbola mihantsy ady ihany. Mandeha ny fotoana ka sao hanenenana e ?

 

Toky R

 

Haut du formulaire

Bas du formulaire

 

Haut du formulaire

Bas du formulaire

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT