Edito

Velirano sa vely kanota ?


  • Zoma 15 Febroary 2019

Mihazakazaka amin’ny fanagadrana, seriny amin’ny fanenjehana ireo heverina fa tsy mitovy hevitra aminy ny fanjakana ankehitriny.

 Tsaroana ny fanenjehana ilay filoha naongana teto rehefa nampihatra ny lalàna izay nolazaina fa nanao didy jadona. Te hirehareha sy hiteny izany amin’izao fa tena mampihatra ny fanjakana tan-dalàna ? Tena hihatra amin’ny rehetra tokoa ve anefa izay fanjakana tan-dalàna izay raha izay no tanjona sa ireo tsy mitovy hevitra no zara aza misy zavatra azo hanenjehana sy handetehana azy ? Ny ekipan’ilay filoha dia mbola afaka hampitombo ny ambaindain’ny hareny sy ny fananany tahaka ny tamin’ny tetezamita ihany ? Na inona na inona aloha atao, dia tsy hahakosoka sy tsy hahafafa velively ny nafitsoka tany aloha izao. Sao mantsy dia hihevitra ny hanadio tena, fa ny azo handikana an’io fihetsika ankehitriny dia ilay fitenenana hoe: “lasa ny alika vao manangom-bato”. Raha resaka fanondranana andramena, kolikoly, afera maloto, fangoronan-karena tamin’ny fomba tsy ara-dalàna,… dia ny olon’ny fanjakana tetezamita angamba no tena tompondakan’io, ary taorian’ny fanonganam-panjakana no nampirongatra ny zavatra tsy ara-dalàna be indrindra teto amin’ny firenena. Efa ripaka ny andramena an’aliny kaontenera ary rehefa avy nigalabona sy nigoka ny maminy vao mody seriny sy te hikosoka ny tantara. Tsy ny mpitondra ankehitriny mihitsy hatreto no hanome lesona sy hiseho ho filamatra amin’ny fametrahana tany sy fanjakana tan-dalàna. Tany amin’ny folo taona lasa izany dia efa hainy sy nampihariny raha voafehiny fa matoa tsy tafarina hatramin’izao ny famotehana natao tamin’izany, dia lalina loatra ny lavaka mangitsokitsoky ny faharavana nataon’ny mpitondra mpamotika fa tsy mpanangana teto. Sao dia ho variana amin’ny fanagadrana sy fanenjehana eto, ka hadino ny velirano sy fampanantenana samihafa natao ? Iza tokoa moa no mahalala na natao izao zavatra izao hahatonga ny sain’ny maro tsy hifantoka amin’ny endrika tsy fahombiazan’ny mpitondra sahady ? Manomboka diso adversera ny fanjakana Rajoelina, ary toa mitady ho tonga amin’ilay fitenenana hoe: “mamo miantso polisy” satria raha hanadio ny firenena sy hametraka ny tany tan-dalàna dia manomboka ao an-tokantrano ny fanadiovana. Ny fanantanterahana ny velirano sy famahana olam-bahoaka no adiny mila tanterahina voalohany, saingy ny vely kanota noho ny mety ho lonilony na alahelo noho ny tsy fitovian-kevitra politika aloha izao no toa mihazakazaka ny fanatanterahana azy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT