Edito

Velirano lasa fahirano


  • Alakamisy 14 Janoary 2021

Kofona sasatry ny mamono afo ny fitondram-panjakana ankehitriny eo

 

 

 

anatrehan’ny olana sesilany miseho. Ny eo tsy mivaha, ny eo misosoka ihany. Mbola raharaha mafaha mampikolay ny fitondrana ny volamena be tratra any Afrika Atsimo, vary mangatsiaka hatramin’ny novambra ny olan’ny mpitsirika asa, mba efa nilamindamina ny raharaha ENS, tonga ihany koa io covid-19, ny kere any Atsimo nanaovana velirano maro be leo ny olona ary io mitsoaka io,… Zary lasa adihevitra ny fanakanana mivantana na ankolaka ireo olona avy any Atsimo tsy handeha, izay mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana. Io fa mikolay sy mitroatra ny mponin’Antananarivo amin’ny resaka tsy fisian-drano, ny fahatapan-jiro moa indraindray mampiteniteny foana. Ny velirano lasa fahirano! Ny vidim-bary, ny sandam-bola,… eny ny vidim-piainana amin’ny ankampobeny efa tena tsy zakan’ny olona intsony. Tsy niomana sy tsy manam-bahaolana firy amin’ireny rehetra ireny ny Fanjakana, ary mianina amin’ny kitsapatsapa. Mionona amina fomba fiasa mamono afo, mitondra vahaolana “tip top”, satria tsy mahay misoroka ny olana tsy hiseho fa efa mirehitra ny afo vao mikorapaka. Indraindray, toa ireny no hakana haingam-panahy hoenti-milaza velirano vaovao, tahaka ny kere tany Atsimo. Ny tsapa sy hita taratra, dia miraviravy tànana ny mpitondra, tsy mahavaha olana, mitady izay hanilihana ny tsy fahombiazana, ary mbola mahavita manenjika mpanohitra,… Ny famahana ireo olona misy aza mety mbola maivana ny hoenti-manana noho ny vina goavana ampanantenaina ka aiza no hahita vola hoenti-manao velirano tsy mitsaha-mitombo ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT