Edito

Velirano foana isan-taona


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Andalana hifanarana indray ny 2022, izay nambaran’ny Mpitondra Fanjakana tany amin’ny fiandohan’ny taona fa ho taonan’ny asa, hanatanterahana ireo velirano maro,…

Betsaka ny zavatra notanisaina fa hatao, izay maro tamin’ireny no efa tany amin’ny fiandohan’ny fandraisana fahefana no nolazaina, misy aza ny tamin’ny tetezamita,… Hivalona ny taona, saingy mbola fitanisana programa sy vina lazaina hatao amin’ny taona ho avy hatrany no betsaka. Mbola hivarotra makety sy velirano, mety hiakatra avo folo heny amin’ny efa nambara satria hiditra fifidianana amin’io taona ho avy io. Ny hilaza fa tsy misy zavatra natao sy tsy misy zava-bita kosa dia fankahalana diso toerana, saingy raha jerena amin’ny saina sy ny fo tsy miangatra kosa, dia miha mahantra fadiranovana ny vahoaka maro an’isa, tsy voafehy sy mitotongana ny toekarena,… Mitombo sy mahazo vahana kosa ny fahalovana, kolikoly, afera maizina, fanodinkodinana volam-panjakana, fandripahana harem-pirenena, trafikana vatosoa sy volamena,… Anarana mpitondra ambony no matetika voatonona ao anatin’izany. Ireny niaraha-nandre ireny anefa ny tenin’ny filohana andrim-panjakana iray eo anatrehan’ny olona ao anatin’ny rafitra tantaniny voasaringotra amina afera maloto, fa dia boriboriana amin’ny hoe: izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy. Tsy finiavana hitsara olona fahatany, fa mba mahagaga sy mampanongo tena hoe: olon’ny lalàna no manao firesaka tahaka izany. Isan’ny nanamarika ity taona ity sy ireo taona teo alohany ihany koa anefa ny fanenjehana sy fanagadrana olona, ankoatra ny fampihorohoroana ara-batana sy ara-tsaina na ankolaka na mivantana. Maro ireo tsy mitovy hevitra politika no nalefa any am-ponja, lazaina ho manohitohina ny fiandrianam-pirenena sy ny filaminan’ny Fanjakana, tao ny nogadraina tsotr’izao noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny tambajotran-tserasera,… Ny mpanakiana fitondrana gadraina kanefa tsy misy basy mipoaka, tsy misy tranom-panjakana may, tsy misy Fanjakana miongana,… fa ny mpangalatra sy mpanodinkodina volam-panjakana amina miliara, ny mpanondrana volamena mipirina tany anaty minisiteram-panjakana sy ny maro hafa miadam-pinaritra eo an-kavanan’ingahy Filoha. Fandrosoana inona no mbola antenaina amin’izany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT