Edito

Veleso ny vy dieny mafana !


  • Alarobia 12 Aprily 2017

Mafampana ny raharaha ady amin’ny kolikoly sy famotsiana vola maloto eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, raha tsy hilaza afa tsy ny momba ilay ramatoa malaza efa tafaporitsaka any ivelany.

Vonon-kijoro sy tsy hamela ny raharaha mahasaringotra io vehivavin’ny taona 2016-2017 amin’ny resaka kolikoly io sy ny namany ireo rafi-panjakana, toy ny Bianco, Samifin, Sendikan’ny mpitsara (SMM), Tonian’ny fampanoavana,.. ka inoana fa tsy ho vitavita mora fotsiny ity raharaha ity. Ny olom-pirenena ihany koa dia mijoro sy manohana ary mankahery hatrany amin’ny ezaka sy ny finiavana ananan’ireo rafitra ireo. Mahatoky ny olom-pirenena fa hitondra rivo-baovao eto Madagasikara ny fijoroan’ireo rafi-panjakana ireo hatramin’ny farany hiady amin’ny tsy maty manota. Dieny mbola misy ny hafanam-po dia mila mihetsika sy mijoro ary tsy hanaiky tsindry isan-karazany izy ireo. Mila velesina ny vy dieny mafana, ka tsy hiandry ela amin’ny fisamborana sy fitsarana ireo rehetra efa hanana dosie maloto, izay rangory fototry ny afo amin’ny famotehana ny firenena. Raha tsy izay no miseho dia ho toy ny sosoa voatapo-drano indray ny fanantenan’ny vahoaka, izay mety hitroatra noho ny fahadisoam-panantenana. Mivavabavaka mihitsy ny olom-pirenena ankehitriny hoe : Enga anie ka ho santatra am-bavarano ihany ity aferan-dRamatoa Claudine Razaimamonjy ity fa ny manetsabe mbola ho avy amin’ny famongorana ireo fanetriben’ny tany ama-monina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT