Taona 2020. Taona 20/20. Izany no vazivazy fanirian’ireo mirary ny haha taon-jina tsy misy tomika ity taona vaovao 2020 ity.
Vazivazy manahirana etsy ankilan’izay anefa ny filazan’ny sasany amin’ny teny frantsay fa taonan’ny divay (deux mille vin), hono izao taona diavintsika izao. Vazivazy zaritenany hita ho misy fifanoherany ireo ary izay moa no lalàm-piainana. Rehefa tsy ny soa ny tsara no azo dia ny mifanohitra amin’izay hatrany. Ary isan’ny ao anatin’izay ratsy izay ihany koa ny tsy fahazoana na tsy fandraisana na inona na inona. Raha iverenana ireo vazivazy voambara mikasika ity taona ity dia mampametra-panontaniana maro? Azo heverina ho hita eto Madagasikara amin’ity taona ity tokoa ve izany atao hoe fiainana tsy hisy tomika na 20/20 izany, raha ny zava-nisy tamin’ny taon-dasa no itodihana? Enga anie mba ho tanteraka ny fanirian’ireo mpirary soa! Taonan’ny tsy fahombiazana, hono, mantsy, hoy ilay mpanao politika iray izay iny taona lasa iny ary misy mpanao politika hafa sy mpandinika maro koa aza efa manahy sahady fa ho feno fahasahiranana ity taona vaovao ity raha ny hita tamin’ireo fihetsiketsehana nitranga rehetra namaraparana iny taona 2019 iny. Dia ho sanatria ve izany vao mainka hivarilavo, araka ilay vazivazy faharoa, ny firenena amin’ity taona ity? Na hampivarilavo bebe kokoa ny Malagasy izay malaza ho lohalaharana amin’izay fandraisana zava-pisotro maha mamo izay? Ho sanatria tokoa anie izany! Milaza ny efa niasa ary mbola hiasa bebe kokoa moa ny fitondrana. Raha ny ankamaroan’ireo fanehoan-kevitra heno anefa dia ilay efa nambara teto hoe finaritra ny maso saingy ory ny kibo no mahafehy ny fiainana niainana tao anatin’izay fitondrana vaovao izay. Ivavahana mafy mba hisy ny fahagagana 2020.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.